Izao no andohalihako anatrehan’Izy Ray

(Ef. 3, 14, 19-20) 

Izao no andohalihako anatrehan’Izy Ray
Satria ny fahafantarako fa tia an-tsika i Jesoa
Fahaizana mihoatra izay fahaizana rehetra
Ie! misaotra ny Ray aho !

Izao no andohalihako anatrehan’Izy Ray
Fa sitrany ho feno safononoka tokoa
Izato fahasoavana nomeny ho antsika
Ie! misaotra ny Ray aho!

Izao no hiderako tsy an-kijanona ny Ray
Naneho ny fahefany Izy hitondra soa ho antsika
Manolotra mihoatra noho izay angatahintsika
Ie! misaotra ny Ray aho!

Izay no iderako tsy an-kijanona ny Ray
Manolotra mihoatra izay angatahintsika
Fa efa mampivoatra sy manova ny fontsika
Ie! misaotra ny Ray aho!

Nampiditra ari.malala
Fihirana Hasina p. 295
Vavaka sy Hira p. 445
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0578