Ô mifalia, ry Maria, fa nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao

Ô mifalia, ry Maria,
fa nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao
ary nosoavina i Jesoa nateraky ny kibonao

(Sal. 120)

1 Miandra any an-tendrombohitra ny masoko:
 Avy aiza àry no ho tonga izany vonjiko?
 2 Avy any amin'izy Tompo re ny vonjiko,
 Fa izy nanao ny tany sy ny lanitra.
 
3 Ary izy tsy hamela anao ho solafaka,
 Satria tsy sondrian-tory fa miambina.
 4 Tokoa tsy sondrian-tory na rendremana,
 Fa miambina an'i Israely re ny Tompony.
 
5 Ny Tompo miahy anao amin'ny alina,
 Ny Tompo eo anilanao ka miambina.
 6 Masoandro ny antoandro, tsy afaka hisompatra,
 Ny volan'ny alina aoka tsy hatahorana.
 
7 Tsy ho voan'ny loza ianao fa ambenany,
 Ho lavitra anao ny rofy sy ny aretina.
 8 Miambina anao mandroso sy miverina,
 Ny Tompo no toky ary izy tsy mivadika.
 
9 Isaorako lalandava re ny Tompoko:
 Ny Ray 'zay nanangana ahy sy mitsimbina.
 10 Ny Zanaka hazavana mahavelona
 Naniraka ny Fanahy mahasambatra.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Masina Maria - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 385
Fihirana Vaovao p. 437
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144