Voninahitra (tononina)

Voninahitra anie ho an'andriamanitra any amin'ny avo indrindra, 
ary fiadanana anie ho an'ny olona etý ambonin'ny tany,
fa nanehoany ny hatsaram-pony.

Midera anao izahay, makalaza anao izahay,
mitsaoka anao izahay.
Mihoby ny hasinao izahay,
misaotra anao izahay noho ny haben'ny voninahitrao,

Ry Tompo Andriamanitra, Mpanjakan'ny lanitra,
Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra.

Ry Jesoa Kristy Tompo, Zanaka lahy tokana,
Ry Tompo Andriamanitra,
Zanak'ondrin'Andriamanitra Zanaky ny Ray.

Manala ny fahotan'izao tontolo izao ianao,
ka mamindr
à fo aminay;
manala ny fahotan'izao tontolo izao ianao,
ka raiso ny fifonanay.
Mipetraka eo an-kavanan'ny Ray ianao,
ka mamindr
à fo aminay.

Fa ianao irery no masina,
ianao irery no Tompo,
ianao irery no avo indrindra, ry Jesoa Kristy,
Miaraka amin'ny Fanahy Masina,
ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray.
Amen.

Nampiditra miarizo15
Fihirana Hasina p. 4
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092