Tompo ô, Kristy ô, mamindrà fo - Miaiky heloka anie izahay

Tompo ô, Kristy ô, mamindrà fo aminay e.
(Mamindrà fo)
 
1 Miaiky heloka anie izahay, (miaiky heloka)
 Avelao ny otanay. (avelao)
 
2 Manadino ny didinao e, (manadino)
 Anjakan'ny fitiavan-tena. (anjakany)
 
3 Mba lazao amin'izy Ray e, (mba lazao)
 Te ho zanany anie 'zahay. (te ho zanany)
 
4 Fitiavana anie ianao, (fitiavana)
 Te hanahaka anao 'zahay e. (te hanahaka)
 
5 Mba marisika ny fanahy, (mba marisika)
 Ny nofo no tena osa. (ny nofo)
 
6 Manasitrana ny fonay e, (manasitrana)
 Omeo anay ny Fanahy Masina. (omeo anay)
 
7 Famonjena ho anay ianao e, (famonjena)
 Paradisa mandrakizay e. (paradisa)

 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 727
Vavaka sy Hira p. 814
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089