Sambatra ny ory e

Sambatra ny ory e:
Fa izy ireo indrindra
No nahatongavan'i Kristy
Halana alahelo. (Mt. 5, 5)

(Sal. 71)

1 Izy hanafaka ny malahelo
 Mitoloko tsy manan-kanampy;
 Ny mahantra, ny ory hovonjeny,
 Hotsimbininy hatrany ny osa.
 
2 Ka halàny amin'ny herisetra,
 Fa ny rany sarobidy tokoa;
 Ranombavaka anie homba azy,
 Rary soa mandritra ny andro.
 
3 Eran-tany rehetra am'izay,
 'Reo vary hananika havoana
 Ka ny vokatra koa toy izany,
 Toa ny ala hita eny Libàna.
 
4 Ny tanàna dia hiroborobo
 Ka hitsiry toa ahitra an-tany
 Ny Anarany hankalazaina
 Sy haharitra toy ny masoandro.
 
5 Ary izy no hatao fitahiana
 Ireo foko manerana tany
 Sady izy no ho reharehan'
 Ireo mponin'ny tany tontolo.
 
6 Eny, isaorana anie Andriamanitra
 Mahagaga ny asa nataony
 Ka hisaorana mandrakizay
 Zany Anarany tsy lefy laza.
 
7 Hoderaina 'lay Ray be fitia
 Sy ny Zanaka vonin'ny ory,
 Ny Fanahy mpanala alahelo
 Aoka hisaorana mandrakizay.
 

 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo - Samihafa
Ankalazao ny Tompo p. 143
Fihirana Hasina p. 716
Fihirana Vaovao p. 361
Vavaka sy Hira p. 301
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0246