Ry Masina Maria Mpanjakavavin'i Madagasikara

1 Ry Masina Maria,
 Mpanjakavavin'i Madagasikara,
 Mihanta aminao 'zahay:
 Anjakao ny Nosinay
 
Mpanjakavavin'ny Malagasy,   )
Anjakanao izahay mianakavy,)
Anjakaonao ampanjakao,       ) (indroa)
Ampanjakao i Jesoa Zanakao.)
 
2 Ianao Renin'i Jesoa
 Namelona sy niambina azy,
 Mba tantanonao 'zahay,
 Zazavaon'ny Eglizinao.
 
3 Ny hadiovam-ponao
 No nitiavan'i Jesoa anao;
 Ny tanora Malagasy
 Mba ampionao, ry Reny, hadio.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 696
Vavaka sy Hira p. 603
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094