Ry Jesoa ô, eto izao

(Feony: O Salutaris, na: Ny foko, ry Andriamanitra)
 
1 Iraka
 Ry Jesoa ô, eto izao,
 Otroninay zanakao!
 Ny fonay faly mankafy
 'Ty ora Masina ity.
 'Reo Teninao, teny soa:
 Sitraka, telina avokoa
 'Reo anatrao maro be,
 Ry Jesoa ô, misaotra re!
 
2 Vavolombelona
 Ry Jesoa ô, raiso daholo
 Ny tenanay manontolo:
 Ho tia anao hatrany hatrany
 Etý an-tany, an-danitra any.
 Harahinay ny lalàna
 Ka fady izay fahotana.
 Ny fonay tano ho madio
 Ry Jesoa ô, tahio, ampio.
 
3 Tanora
 Ry Jesoa ô, henoy izao:
 Ny helokay mba avelao
 Fa avelanay mandrakizay
 'Zany nanao ratsy taminay.
 Ny lolom-po, ny setrasetra
 Ny hatezerana rehetra,
 Ny valy faty: sanatria!
 Ry Jesoa ô, fatra-pitia!
 
4 Vehivavy
 Ry Jesoa ô, mba hamasino
 Hifankatia ireo mpino
 Ho fo iray, fanahy iray
 Fa tokan-dreny, tokan-dRay!
 Ka ireo mahantra sesehena
 Sy ireo mijaly: hovonjena,
 Hafoy koa raha ilaina
 Ry Jesoa ô, henoy ny aina.
 
5 Lehilahy
 Ry Jesoa ô, 'zahay ambeno:
 'Reo 'zay nania mba avereno
 Ny matimaty hafanao
 Izay maty hatsarao.
 Tsimbinonao ny tokantrano:
 Ny reny re mba tsofy rano.
 Ny ray koa mba tohano,
 Ny zaza kosa mba tantano!
 
6 Miaraka
 Ny paroasinay arovy
 Ny Nosinay mba tsinjovy;
 Vonjeo izao tontolo izao:
 Ry Jesoa ô, mba anjakao!

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 691
Vavaka sy Hira p. 567
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1234