Rendri-torimaso

Rendri-torimaso i Jesoa,
Dia ny torimasom-pahafatesana;
Nefa tafafoha indray,
Satria ny Tompo Andriamanitra Ray
No niankinany.
 
1 Indrisy re, ry Tompo ô, ny hamaroan'ny fahavaloko:
 Marobe ireo mitroatra, vonona hanohitra ahy,
 Marobe ireo milaza ny momba ahy manao hoe:
 "Ho azy iny anie, rey olona, tena tsisy famonjena
 Eo anilan'Andriamanitra!"
 
2 Fa ianao, Tompo ô, fa ianao no ampingako,
 Fa ianao no voninahitro, ka atrakanao ny lohako.
 Izaho miantso azy Tompo amin'ny feo manakoako,
 Ary izy avy any am-bohiny, dia ilay vohi-manan-kasina,
 He, manoina ny antsoko.
 
3 Ary izaho raha vao mandry dia rendri-torimaso:
 Dia mifoha miadan-tsaina,
 Fa izy Tompo no andry iankinako,
 Fa tsy misy atahorako ireo vahoaka an'alinkisa
 Miahoaho manodidina, mirangaranga hatraiza hatraiza
 Mifofo ny aiko handevona ahy.
 
4 Mitsangàna re, ry Tompo, mitsangàna hamonjy ahy:
 Ny fahavaloko rehetra nasianao tehamaina,
 Ary ireo mpanao ratsy, ararako ompana ny nifiny.
 Ny Tompo ihany hatrany hatrany,
 Ny Tompo ihany no Mpamonjy
 Mitsodrano ny vahoakany.
 
5 Isaoranay ianao, ry Ray, fa tsy misy very anjara
 Izay miankina aminao, eny, isaoranay ianao;
 Isaoranay ianao, ry Zanaka, tsy nampandefitra ny marina;
 Isaoranay ianao, ry Aina, Fanahy mpiaro ny madinika
 Tsetsefan'olona hatsembohana.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Salamo
Fihirana Hasina p. 682
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1019