Nandositra lavitra Anao

1 Nandositra lavitra anao
 'Lay ondry mania sahisahy;
 Ianao anefa tsy mba nandao,
 Ry Jesoa malemy fanahy!
 
       Ianao no mitady ny very,
       Mitsinjo azy feno ahiahy,
       Mandinika, mamehy ny fery,
       Ry Jesoa malemy fanahy!
 
Ry ondry mania, miverena
Haingàna!... Aza mihataka, lahy,
Fa ilay Tomponao no onena,
Ilay Jesoa malemy fanahy!
 
2 Nijaly sy maty ianao
 Noho ny fitiavanao ahy;
 Hanolotra aim-baovao,
 Ry Jesoa malemy fanahy!
 
       Na maro aza ny ondrinao
       Dia tianao mba ho vala iray;
       Tsy vizana miantso azy ianao,
       Ry Jesoa malemy fanahy!
 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 524
Fihirana Hasina p. 625
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1052