Iza àry no hahasaraka ahy

Iza àry no hahasaraka ahy )
Amy fitiavan'i Kristy?        ) (indroa)
 
1 Na ho mamy na mangidy,
 Na ho tsiky na tomany,
 Ny fiainako eto an-tany,
 - Dia tsy hisy hahasaraka ahy.
 
2 Na ho maloka na mirana,
 Na ory na ho faly,
 Ny làlana diaviko eto an-tany,
 - Dia tsy hisy hahasakana ahy.
 
3 Na ho mafy na malemy,
 Na ho mora na ho sarotra,
 Ny zavatra ataoko eto an-tany,
 - Dia tsy hisy hahasakana ahy.
 
4 Na malaina na mazoto
 Na ho tiako na tsy tiako
 Ny miezaka eto an-tany,
 - Dia hijoro hatrany.
 
5 Na eto na ho any
 N'inon-kitranga, n'inon-kidona,
 Amy toerana anirahanao ahy,
 - Dia hiroso hatrany.
 
 Satria entin'Andriamanitra
 Hahasoa izay tia azy
 Ny zavatra rehetra


 

 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 534
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0255