I Kristy no vato fehizoro

I Kristy no vato fehizoro;
Tsy hangaihay izay mino azy.

(Sal. 26)
 
1 Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:
 Iza no hatahorako?
 
2 Ny Tompo no mandan'ny aiko:
 Zovy no hangovitako?
 
3 Raha mirohotra avy any ny mpisompatra
 Mba handrapaka ny nofoko.
 
4 Dia ireo rafilahy sy fahavaloko;
 Izy no hivena sy hiankarapoka!
 
6 Raha tafika no mitoby hiady amiko
 Tsy miraika ny foko;
 
6 Raha andiany no miantoraka hamely,
 Matoky hatrany aho!
 
7 Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
 Sy tozoiko indrindra, ry Tompo:
 
8 Dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo
 Sy hibanjina ny toerany masina!
 
9 Mba hankafy ny hatsaran'ny Tompo
 Sy hibanjina ny toerany masina!
 
10 Amin'ny andro fahoriana aho
 Afeniny ao amin'ny efitra fialofany.
 
11 Takonany ao am-pierena ao an-dainy,
 Asandrany ambony vatolampy.
 
12 Indro ny lohako efa asandrany
 Ambonin'ny fahavalo manodidina ahy.
 
13 Koa manolotra sorom-pihobiana
 Ato an-dainy aho,
 Mihira sy miantsa ny Tompo!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 48
Fihirana Hasina p. 503
Fihirana Vaovao p. 279
Vavaka sy Hira p. 267
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241