MamindrĂ  fo, Tompo, 'ty mpanota mba iantrao

(Sal. 50)

Mamindrà fo, Tompo,
'Ty mpanota mba iantrao.
 
1 Iantrao aho, ry Tompo ô,
 Andriamanitra mpiantra ny mpanota:
 Mba vonoy ny hadisoako, mba vonoy,
 Fa lehibe ny indrafonao, ry Tompo.
 
2 Mba sasao aho, ry Tompo ô,
 Mba sasao amin'ny heloko rehetra:
 Mba diovy ireto ota, mba sasao
 Amin'ny ratsy, ny tsiny, ny ota.
 
3 Eny, miaiky ny heloko aho,
 Anoloako lalandava re ny otako:
 Nanao ratsy teo imasonao aho,
 Ianao irery no nanotako.
 
4 Raha miteny, dia marina ianao,
 Raha mitsara koa ianao, tsy misy diso:
 Tompo ô, tsy omen-tsiny na oviana,
 Fa mpitsara ara-drariny ianao.
 
5 Teraka aho dia tanaty heloka,
 Tanaty ota no torontoronina:
 Indro fahitsiana am-po no sitrakao,
 Fahendrena no atoronao ahy.
 
6 Dia afaho ny otako izao,
 Ka ny heloko rehetra mba koseho:
 Amoròny fo madio aho, ry Tompo,
 Ka anaovy fanahy vaovao.
 
7 O! fafao ny ranomasoko,
 Dia ho afaka hihoby anao ny lelako:
 Mba sokafy ny molotro, ry Tompo,
 Ka hanambara fiderana anao ny vavako.
 
8 'Reo sorona dorana maro
 Dia fanatitra tsy mba ankasitrahanao:
 Fa ny foko torotoron'alahelo
 No hany sorona lavorary.
 
9 Voninahitra anie ho an'ny Ray,
 Voninahitra anie ho an'ny Zanaka,
 Voninahitra ho anao, ry Fanahy,
 Voninahitra mandrakizay!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana - Salamo
Fihirana Dera p. 56
Fihirana Hasina p. 214
Fihirana Vaovao p. 96
Vavaka sy Hira p. 287
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168