Alahady 10 jona 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
TONGA HANAVOTRA NY MPANOTA I KRISTY
Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko zovy no hangovitako?
Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hahatontosa azy.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Ozea Mpaminany
Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala ny Tompo, fa mahatoky toy ny an'ny maraina ny fiposahany, ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona, toy ny fara orana manamando ny tany. Inona no hataoko aminao, ry Efraima? Inona no hataoko aminao, ry Jodà? Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina, tahaka ny ando amin'ny maraina: ka levona vetivety. Noho izany, nataoko potika tamin'ny tenin'ny mpaminany, novonoiko tamin'ny tenin'ny vavako izy ireo; toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao. Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona; ary ny fahalalana an'Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.
Ny Tompo Andriamanitra; Ambony; manaiky Azy ny tany tontolo.
Tsy izay fanatitra no aniniako anao: anoloako lalandava ny sorona atolotrao.
Noana Aho, tsy hilaza aminao: fa Ahy izao tontolo izao sy izay mameno azy. Nofon'ombalahy angaha no fihinako? sa ran'osilahy no fisotroko?
«Ny saotra, aterina ho an'Andriamanitra, ny voady, efaina amin'ilay Avo: dia antsoy Aho amin'ny andro mahory, fa hamonjy sy hamàhana anao!»
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, nino i Abrahama, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza, ka tonga rain'ny firenena maro, araka ny voalaza taminy hoe: “Ho tahaka izany ny taranakao.” Sady tsy mba nalemy finoana izy, fa tsy noheveriny akory ity tenany efa hoatra ny maty (efa tokony ho zato taona izy fahizany), sy izato kibon'i Sarà efa ritra aina, Tsy nasiany fisalasalana na ahiahy kely akory ny teny napetrak'Andriamanitra taminy, fa nampaherezin'ny finoana izy, ka nanome voninahitra an'Andriamanitra tamin'ny fitokiany mafy Azy, ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy; koa notanana ho fahamarinany izany. Ary tsy ho azy ihany no nanoratana hoe notanana ho fahamarinany izany fa ho antsika izay hitanana izany koa, dia isika izay mino an'Ilay nanangan-ko velona an'i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 9, 9-13Tamin'izany andro izany i Jesoa nandalo, ka nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy:
“Andeha hanaraka Ahy ianao.” Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka, tonga niara-nihinana tamin'izy sy ny mpianany. Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: “Nahoana ity Mpampianatrareo no miara-mihinana amin'ny poblikanina sy ny mpanota?” Fa hoy i Jesoa nandre izany: “Tsy ny finaritra no mila fanafody, fa ny marary. Mandehàna àry ianareo, ka fantaro ny hevitr'izao teny izao: 'Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona'; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”
Ry kristianina havana, tamin'ny fanombohan'izao Sorona izao, dia efa nibaboka heloka isika; ary efa nihaino ny tenin'Andriamanitra; koa tokony hatoky fa hihaino ny vavaka ataontsika i Jesoa Ilay nilaza hoe: “Tsy tonga ho an'ny olo-marina Aho, fa tonga ho an'ny mpanota.”
Tompo ô, fantatrao ny faharatsianay, ka tonga teto amin'izao tontolo izao Ianao hitondra famelan-keloka sy fanantenana; koa iantrao izahay mpanota ary iantrao koa ireo mbola lavitra Anao hanatona Anao hosoavinao.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, mba topazo maso izahay manompo Anao; dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.
Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie, hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.