Zoma 27 novambra 2026

Zoma Fahaefatra amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 84, 9

Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Apôk. 20, 1-4. 11 — 21, 2

Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany Apôstôly

« Notsaraina araka ny asany avy ny maty rehetra. Indro hitako nidina avy any an-danitra i Jerosalema vaovao. »

Izaho Joany nahita anjely anankiray nidina avy any an-danitra, izay nitana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy rojo vy lehibe anankiray teny an-tanany. Nosamborin'izy io ny Dragona, ilay menarana antitra, dia ny demony sy i Satana, ka nafatony arivo taona, dia nazerany tao amin'ny lavaka tsy hita noanoa, ary nohidiany tao sy nasiany tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa rahefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely indray izy aloha. Dia nahita seza fiandrianana maro aho, izay nipetrahan'olona nahazo fahefana hitsara, sy nahita ny fanahin'ireo notapahin-doha noho ny fanambaran'i Jesoa sy noho ny tenin'Andriamanitra, mbamin'ny an'ireo tsy nivavaka tamin'ny Biby na tamin'ny sariny, sy tsy nandray ny mariny na tamin'ny handriny na tamin'ny tanany, fa efa velona ireo ka niara-nanjaka arivo taona tamin'i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 83, 3. 4. 5-6a sy 8a
Fiv.: Indro ny tranolain'Andriamanitra tonga eny amin'ny olona.

Manembona Anao lalandava ny foko. Misento maniry ny kianjanao. Endrey velon-kira mihoby ny foko, mientana, faly miandra Azy Tompo.
Ny voromanidina ireny tsy lao, ireo sidintsidina mbamin'ny fody, mitoetra manila ny Otelinao, ry Tompo Mpanjakan'ny tany tontolo.
Endrey ny hasanbaran'ny vahoakanao, mihoby, midera tsy tapaka Anao. Miravo tokoa 'zay mitoky aminao, mavitrika, tojo ny lalan-kombana.

Aleloia. Aleloia.
Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 21, 29-33
« Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ireo mpianany nanao hoe: “Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra: raha vao hitanareo fa manaroka izy, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany itý taranaka itý ambara-pahatongan'izany rehetra izany. Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko tsy mba ho levona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.