Alatsinainy 11 jona 2035

Alatsinainy Fahafolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 26, 1-2

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Kôr. 1, 1-7

Fanombohan'ny taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Nanafaka alahelo anay ny Tompo mba hahazoanay manala alahelo ny tra-pahoriana rehetra. »

I Paoly, Apôstôlin'i Jesoa Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, sy i Timôte rahalahiny, mamangy ny Eglizin'Andriamanitra izay any Kôrinto, mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia manontolo: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 33, 2-9
Fiv.: Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin'ny fotoan-drehetra; eo am-bavako lalandava ny fisaorana Azy. Ny Tompo hafinaretan'ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Mankalazà ny Tompo miaraka amiko; miaraha isika midera ny Anarany! Izaho nihanta tamin'ny Tompo ka nekeny; ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana; ny tavanareo tsy hangaihay. Itý ory: velona antso ka novalian'ny Tompo; ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina mba hamonjy izay matahotra ny Tompo. Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo: sambatra ny olona mifefy aminy.

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 5, 1-12
« Sambatra izay mahantra am-panahy. »

Tamin'izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rahefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe: “Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan'ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an'Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin'ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Kômonio Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.