Asabotsy 09 jona 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.
Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Tôbia
Tamin'izany andro izany, niantso an-janany hankeo aminy i Tôbia ka nanao taminy hoe: “Inona no homentsika itý lehilahy masina nanaraka anao tany amin'ny dianao?” Dia nantsoin'i Tôbia mianaka izy, nentiny nitokana ka niangaviany mba hankasitraka ny handray ny antsasak'izay rehetra nentiny.
Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay, Ilay mandrakizay ny Fanjakany! Fa mikapoka Izy ka mamindra fo, mampidina an-tSeoly ka mampiakatra. Ary tsy misy olona izay afaka amin'ny tanany!
Raha miverina aminy amin'ny fo tontolo ianareo, sy manao ny marina eo anoloany amin'ny fanahy tontolo, dia hiverina aminareo koa Izy, sy tsy hanafin-tava aminareo intsony!
Jereo ny nataony anareo: ka mankalazà Azy amin'ny vava tontolo! Isaory ny Tompon'ny Fahamarinana! Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!
Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy, maneho ny hery sy halehibiazany amin'itý firene-mpanota: Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 12, 38-44Tamin'izany andro izany, izao no nolazain'i Jesoa ny vahoaka, tamin'ny fampianarany: “Mahîna amin'ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin'ny sinagôga, mbamin'ny fitoerana ambony amin'ny fanasana. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan'ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin'ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.
Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.
Enga anie, ry Tompo, hotarihin'ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin'ny Vatana aman-dRan'ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin'ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin'ny fanjakan'ny lanitra.