Zoma 08 jona 2035

Zoma Fahasivy tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 24, 16. 18

Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.

Fangatahana

Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Tôb. 11, 5-17

Bokin'i Tôbia

« Nofaizinao aho dia nositraninao indray, ary indro mahita ny zanako aho. »

Tamin'izany andro izany nandeha isan'andro nipetraka teo amoron-dalana i Annà, tamin'izao havoana kely izao, fa mahatazan-davitra eo. Raha ilay nitily ny hiavian-janany iny indrindra izy dia indry izy tazany tamy mbola lavitra, ka rahefa fantany dia lasa izy nihazakazaka nilaza tamin'ny lahy nanao hoe: “Indry tamy ny zanakao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 145, 2. 7. 8-9a. 9bd-10.
Fiv.: Derao ny Tompo, ry fanahiko!

Izaho midera ny Tompo, raha mbola velona aina, miantsa ny Andriamanitro, raha mbola misy koa!
Ilay manome rariny ny ampahoriana! I!ay mamahana ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo nampahiratra ny jamba, Tompo mampitraka ny miondrika, Tompo mpiaro ny vahiny, tohan'ny kamboty sy ireo mpitondratena.
Tompo tia ny olo-marina, fa nampiviona kosa ny olon-dratsy; Tompo manjaka mandrakizay, ny Andriamanitrao, ry Siôna.

Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 12, 35-37
« Ahoana no ilazany fa i Kristy dia zanak'i Davida? »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly dia niteny nanao hoe: “Ahoana no ilazan'ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak'i Davida? Nefa i Davida ihany no nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: 'Ny Tompo nilaza tamin'ny Tompoko hoe: mipetraha eo ankavanako Ianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.' Koa raha antsoin'i Davida ho Tompony Izy, ahoana no maha-zanany Azy?” Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin'ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.

Kômonio Sal. 16, 6

Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Tompo, hotarihin'ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin'ny Vatana aman-dRan'ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin'ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin'ny fanjakan'ny lanitra.