Alarobia 19 jolay 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.
Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Izao no nolazain'ny Tompo: “Loza ho an'i Asora, tsorakazon'ny fahatezerako! fiasan'ny havinirako ny tehina eny an-tanany! Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy, dia handroba sy hamabo azy, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe. Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin'ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana. Satria izy nanao hoe: “Ny nahefako izany dia noho ny herin'ny tanako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin'ny firenena nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany dia nanongana azy aho toy ny lehilahy mahery fo. Toy ny fisambotra akany no nisamboran'ny tanako ny haren'ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na mba nikiaka akory!” Mirehareha amin'ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin'izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsorakazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo! Noho izany, ny Tompo, Andriamanitry ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin'ny voninahiny, hisy afo mirehitra, toy ny afo amin'ny haintrano.
Ny vahoakanao, ry Tompo, ampahorian'ny olon-dratsy; ny lovanao, torotoroiny; ny mpitondratena, ny vahiny vonoiny; ny kamboty aripany.
Ny Tompo tsy mahita, hoy izy; ny Andriamanitr'i Jakôba tsy mahatazana! Mbà mahafantatra, ry vahoaka ketrina! Rahoviana no hahalala ianareo, ry adala?
Ilay namboly ny sofina va no tsy handre? Ilay namorona ny maso no tsy hahita? Ilay Mpananatra ny firenena va no tsy hanadina? Ilay Mpanoro ny olombelona no tsy hahalala?
Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany, na handao ny lovany ka ny olo-marina hahazo ny rariny, ny mahitsy fo no handresy lahatra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 11, 25-27Tamin'izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe: “Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin'ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen'ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.
Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.
Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.