Talata 18 jolay 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.
Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Tamin'ny andron'i Akaza, zanak'i Jôatama, zanak'i Oziasa, mpanjakan'i Jodà, dia niakatra hanafika an'i Jerosalema i Rasima, mpanjakan'i Siria, niaraka tamin'i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan'i Israely; nefa tsy nahafaka azy izy. Nambara tamin'ny taranak'i Davida izany vaovao izany, fa hoe: Mitoby any amin'i Efraima i Siria. Tamin'izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo any an'ala ny fon'ny mpanjaka sy ny fon'ny vahoaka. Dia hoy ny Tompo tamin'i Izaia: “Mivoaha ianao sy i Seara-Jasoba, zanakao, hitsena an'i Akaza eo amin'ny faran'ny lakan-dranon'ny kamory ambony, amin'ny lalan'ny sahan'ny mpamotsy lamba; ka ianao hilaza aminy hoe: “Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana ianao eo anatrehan'ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin'ny fisafoakan'i Resîna sy i Siria, ary ny zana-dRomelia.” Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao, mbamin'i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe: “Andeha isika hananika an'i Jodà, ka hamparaiki-tahotra azy sy hananika azy ary hanangana ny zanak'i Tabeela ho mpanjaka ao”; noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Andriamanitra: “Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany! Satria efa i Damasa no lohan'i Siria ary i Resîna no lohan'i Damasa; ka dimy amby enimpolo taona sisa, dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony i Efraima.” Ary i Samaria no lohan'i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan'i Samaria. Raha tsy mino ianareo, dia tsy haharitra.”
Ny Tompo lehibe sy mendri-dera indrindra ao amin'ny tanànan'Andriamanitsika! Ny Vohiny Masina; tsara fideza, fifalian'ny tany tontolo!
Ny Vohitra Siôna: any am-parany avaratra. Tanànan'ny Mpanjaka lehibe! Andriamanitra amin'ireo tilikambony mitomban-ko fiarovana-avo.
Nefa indreny manjaka mivorivory; dia miara-mandroso. Kanjo he: mahatazana, midonàka, mangorohoro, riatra mandositra!
Nihovotrovotra foana teo, nihararetra toa mpivelona; toa azon-drivotr'Atsinanana; irony mahapotika sambon-dranomasina!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 11, 20-24Tamin'izany andro izany, i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro; satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe: “Loza ho anao, ry Kôrôzaina, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin'ny akanjo malailay sy tamin'ny lavenona izy. Koa lazaiko aminareo, fa amin'ny andron'ny fitsarana, dia ho moramora kokoa ny hatao amin'i Tira sy i Sidôna noho ny hatao aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny afobe ianao, fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy. Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin'i Sôdôma amin'ny andron'ny fitsarana noho ny hatao aminao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.
Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.
Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.