Alakamisy 20 jolay 2034

Alakamisy Fahadimy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 16, 15

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Iz. 26, 7-9. 12. 16-19

Bokin'i Izaia Mpaminany

« Mifohaza ka manaova hobin-kafaliana, ianareo izay mandry amin'ny vovoka. »

Voaravona ny sakeli-dalan'ny marina; mahitsy ny lalana izay areninao ho an'ny marina. Koa teo amin'ny lalan'ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Tompo, ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian'ny fanahinay. Ny fanahiko maniry Anao mandritra ny alina; ary ny saiko ato anatiko, mikatsaka Anao. Satria raha mihatra amin'ny tany ny fitsaranao, dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao. Ry Tompo ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao, fa ny asanay rehetra dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay. Nitady Anao izy nony azom-pahoriana, ry Tompo ô, noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy. Tahaka ny vehivavy bevohòka madiva ho teraka, miolanolana sy miantsoantso eo amin'ny fijaliany; tahaka izany izahay, eo anatrehan'ny tavanao, ry Tompo. Fa efa bevohòka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, dia tsy niteraka afa-tsy rivotra. Tsy nanome ny famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy nisy mponina teraka ho an'izao tontolo izao. Ho velona indray ny olonao efa maty; hitsangana indray ny fatin'ny oloko. Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana, ianareo izay mandry eo amin'ny vovoka, fa ny andonao, ry Tompo, dia andon'ny fahazavana; ary ny tany hamoaka indray ny maty.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 101, 13-14ab sy 15. 16-18. 19-21
Fiv.: Avy any an-danitra ny Tompo mitazana ny tany.

Ianao, ry Tompo, mitoetra mandrakizay; amin'ny taona rehetra ny lazanao. Hitsangana hiantra an'i Siôna Ianao: fa izao dia izao no fotoana fangorahana azy! Fa mba sitraky ny mpanomponao ny vatony; mba mahaseriny azy ny vovotaniny!
Ka hatahotra ny Anaran'ny Tompo ireo firenena, ny voninahitrao, ny mpanjaka rehetra eran-tany! Ny Tompo manko hanorina an'i Siôna, ka hiseho anatin'ny voninahiny, hanatrika ny vavak'izay norobaina, tsy hanosika ny talahon'izy ireo!
Soraty izany ho an'ny taranaka any aoriana: ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho hary! Avy any an-toerany masina any ambony Izy mitsinjo; avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany: hahenoany ny senton'ny mpifatotra, hanafahany an'ireo voatondro hovonoina.

Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 11, 28-30
« Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao hoe: “Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an'ny fanahinareo ianareo; fa mora entina ny jiogako ary maivana ny hazofijaliako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Kômonio Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.