Talata 22 novambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Daniely Mpaminany
Tamin'izany andro izany, i Daniely nanao tamin'i Nabokôdônôzôra hoe: “Nijery ianao, ry mpanjaka ô, ka indro nisy sariolona lehibe. Tena makadiry izany sariolona izany, sady namirapiratra mahagaga; nijoro teo anatrehanao izy io, ary mahatsiravina ny fijery azy. Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany; volafotsy ny tratrany aman-tsandriny; varahina ny kibo amam-peny; vy ny ranjony, ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany. Mbola mijery eo ianao no indro, nisy vato niendaka tsy nokasihin-tanana, namely itý sariolona tamin'ny tongony vy aman-tanimanga, ka nahatorotoro azy. Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy mbamin'ny volamena, sady nanary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin'ny fahavaratra, ka nopaohin'ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany; ary ilay vato namely ny sariolona kosa, zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra. Izany no nofy; ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny.
Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan'ny Tompo, derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry anjelin'ny Tompo, derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry lanitra, derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin'izay rehetra eny ambonin'ny lanitra; derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry fahefan'ny Tompo, derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 21, 5-11Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe: “Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.” Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe: “Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?” Ka hoy i Jesoa hoe: “Tandremo sao ho voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: 'Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro', fa aza manaraka azy. Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin'izay akory ny farany.” Dia hoy koa Izy tamin'izy ireo: “Hisy firenena hitsangana hiady amin'ny firenena, sy fanjakana hiady amin'ny fanjakana, hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin'ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.
Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.