Alarobia 23 novambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Daniely Mpaminany
Tamin'izany andro izany, nanao fanasana lehibe i Baltazara mpanjaka, ho an'ireo tompo-menakeliny arivo lahy: ary nisotro divay teo anatrehan'ireo arivo lahy izy. Nentanin'ny divay i Baltazara, dia nampaka ny kapoaka volamena sy volafotsy nalain'i Nabokôdônôzôra rainy, teny an-tempoly izay ao Jerosalema, mba hisotroan'ny mpanjaka aman-tompo-menakely mbamin'ireo vadiny sy vaditsindranony. Nony nentina ny kapoaka volamena nalaina teny an-tempolin'ny tranon'Andriamanitra, izay ao Jerosalema, dia nisotro tamin'izany ny mpanjaka, ny tompo-menakely, ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony. Nisotro divay izy ireo ary nankalaza ny andriamaniny volamena sy volafotsy, varahina sy vy, ary vato aman-kazo.
Masoandro amam-bolana: isaory ny Tompo! Ry kintan'ny lanitra: isaory ny Tompo!
Ry andro aman'orana: isaory ny Tompo! E rivo-mahery: isaory ny Tompo!
Hain'andro sy afo: isaory ny Tompo! Fanala sy hatsiaka: isaory ny Tompo!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 21, 12-19Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Hosamborina ianareo, hoenjehina, hoentina any amin'ny sinagôga sy any an-tranomaizina, ary hatolotra ny mpanjaka sy ny manam-pahefana noho ny Anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo. Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon'ny fahavalonareo toherina na lavina velively. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin'ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin'ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.
Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.