Alatsinainy 21 novambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Fanombohan'ny Bokin'i Daniely Mpaminany
Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Jôakima, mpanjakan'i Jodà, dia tonga i Nabokôdônôzôra mpanjakan'i Babilôna hamely an'i Jerosalema, ka nanao fahirano azy. Natolotry ny Tompo, ho an-tanany i Jôakima, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra, ka nentiny ireny, ho any amin'ny tany Sennaara, ao amin'ny tranon'ny andriamaniny, sady napetrany tao amin'ny firaketan'andriamaniny ny fanaka.
Isaorana indrindra Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny Razana: fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay!
Isaorana ny Anaranao, fa masina, be voninahitra: ka mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay!
Isaorana indrindra Ianao, an-tempoly be voninahitra: fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay!
Isaorana indrindra Ianao. Mahatsinjo ny halalin'ny hantsana: fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay!
Isaorana indrindra Ianao. Mipetraka ambony Kerobima: fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 21, 1-4Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin'ny fandatsahan-drakitra. Dia nahita mpitondra tena anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy, ka nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra; satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an'Andriamanitra, fa io kosa, dia tamin'ny fahantrany indrindra izy no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.
Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.