Alahady 25 septambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
IZA AVY NO TENA AN'I KRISTY?
Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.
Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao, koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Fanisana
Tamin'izany andro izany, nidina teo amin'ny rahona ny Tompo dia niteny tamin'i Môizy; nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Môizy, ka nataony tao amin'ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny Fanahy, nefa tsy notohiziny izany. Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary i Medada ny anankiray, nijanona teo an-toby; ary tonga tao amin'izy ireo ny Fanahy; anisan'ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin'ny trano lay, ary naminany teo an-toby izy. Dia nihazakazaka nilaza izany tamin'i Môizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe: “Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada”. Niteny niaraka tamin'izay i Jôsoe, zanak'i Nona, mpanompon'i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: “Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy”. Fa hoy ny navalin'i Môizy azy: “Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan'ny Tompo, ary hataon'ny Tompo ao aminy ny Fanahiny”.
Ny lalàn'ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy; ny didin'ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.
Ny tenin'ny Tompo madio, maharitra mandrakizay; ny fitsaràn'ny Tompo koa marina, samy rariny avokoa.
Koa ny mpanomponao mankasitraka ireny, fa tombontsoa ireny raha voatandrina. Ny hadisoan'ny tena, tsy mba hita: avelao ny ota izay tsy tandriko.
Ny avonavona iarovy ahy, ity mpanomponao anie tsy ho voafehiny, ka dia ho afaka amin'ny loto sy ny hadisoana bevava.
Taratasin'i Md. Jakôba Apôstôly
Anareo mpanan-karena kosa indray izao: Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona. Ny harenareo efa lo; ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao; ny volamena sy ny volafotsinareo efa harafesina; ary ny harafesiny dia hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo, toy ny afo. Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin'ny andro farany ianareo. Indro, mitaraina ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin'ny Tompon'ny tafika ny fitarainany. Nivelona teto an-tany tamin'ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin'ny fahafinaretana; namoky ny fonareo tamin'ny andro fandringanana ianareo. Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo, fa tsy nanohitra anareo izy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 9, 37-42. 44. 46-47Tamin'izany andro izany, namaly ny tenin'i Jesoa i Joany ka nanao taminy hoe: “Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin'ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka noraranay”. Fa hoy i Jesoa: “Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin'ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. Na iza na iza hanome rano eran'ny kapoaka anareo amin'ny Anarako, satria an'i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarîna amin'ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo kilemaina miditra any amin'ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa avarina any amin'ny gehena, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an'ila miditra any amin'ny fiainana ianao, toy izay manana tongotra roa avarina any amin'ny gehen'afo tsy azo vonoina. Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin'ny fanjakan'Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa avarina any amin'ny gehen'afo, izay tsy mety maty ny olitr'izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo”.
Ry kristianina havana, ny Soratra Masina novakina androany dia miangavy antsika ho tsara fo amin'ny olona rehetra; koa mivavaha indrindra ho an'ireo mandeha amin-kitsim-po sy mitady ny marina ary mikatsaka ny rariny.
Tompo ô, ampio izahay ho tsara fo sy hanao ny marina amin'ny olona rehetra; ho tsara fandray izay manatona anay, ary hahatarika azy rehetra hanao ny tsara amin'ny fahafoizanay tena sy ny fahamarinanay.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie ity tolotra entinay ity sy ho tonga Ioharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay asainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.
Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, ity mistery avy any an-danitra ity; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitrao.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.