Alatsinainy 26 septambra 2033

Alatsinainy Fahaenina amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Dan 3, 31. 29. 30. 43. 42

Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Zak. 8, 1-8

Bokin'i Zakaria Mpaminany

« Indro Aho hanafaka ny vahoaka avy any atsinanana sy avy any andrefana. »

Tonga ny tenin'ny Tompon'ny tafika nanao hoe: “Saro-piaro dia saro-piaro an'i Siôna Aho, sady entim-pahatezerana mafy Aho, noho ny aminy. Tafaverina eto Siôna Aho, ka te-honina eo afovoan'i Jerosalema; i Jerosalema hantsoina hoe: “Ny tanànan'ny fahamarinana”; ary ny tendrombohitry ny Tompon'ny tafika, hatao hoe: “Ny tendrombohitry ny fahamasinana.” Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray, hipetraka eny amin'ny kianja any Jerosalema, samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro. Ny kianjan'ny tanàna ho feno zazalahy aman-jazavavy milalao eny amin'ny kianjany. Amin'izany andro izany, na hiseho ho zava-mahagaga aza izany eo imason'izay sisa amin'itý firenena itý; moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany? — teny marin'ny Tompon'ny tafika —. Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin'ny tany atsinanana sy ny tany andrefana; hoentiko mody izy honina ao afovoan'i Jerosalema, ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamanitr'izy ireo amin'ny rariny sy ny hitsiny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23
Fiv.: Hanorina an'i Siôna ny Tompo, ka hiseho anatin'ny Voninahiny.

Hatahotra ny Anaran'ny Tompo ireo firenena, ny voninahitrao, ny Mpanjaka rehetra eran-tany! Ny Tompo mantsy hanorina an'i Siôna, ka hiseho anatin'ny voninahiny, hanatrika ny vavak'izay norobaina, tsy hanosika ny talahon'izy ireo!
Soraty izany ho an'ny taranaka any aoriana: ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho àry! Avy any an-toerany Masina any ambony Izy mitsinjo, avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany: hahahenoany ny senton'ny mpifatotra, hanafahany an'ireo voatondro hovonoina.
Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay, ary ny taranany hijoro eo anoloanao! Ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran'ny Tompo, sy ao Jerosalema ny fiderana Azy, raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo ireo vahoaka sy ireo fanjakana!

Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny Fanjakanao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 9, 46-50
« Izay kely indrindra eo aminareo no ho lehibe indrindra. »

Tamin'izany andro izany, nisy hevitra tonga tao an-tsain'ireo mpianatra, dia ny amin'izay lehibe aminy. Fantatr'i Jesoa ny hevitra tao am-pony, ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany, dia hoy Izy tamin'izy ireo: “Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin'ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe.” Dia niteny i Joany nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin'ny Anaranao izahay, ka noraranay, satria tsy namantsika izy.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.

Kômonio Sal. 118, 49-50

Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitra.