Asabotsy 24 septambra 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Izaho no vonjin'ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.
Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Zakaria mpaminany
Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tanany. Dia hoy aho: “Ho aiza ianao?” Ary hoy izy tamiko: “Handrefy an'i Jerosalema hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany.” Tamin'izay niseho ilay Anjely niresaka tamiko, sady nisy Anjely anankiray hafa niseho hitsena azy; ka hoy izy taminy hoe: “Mandehàna faingana, milazà amin'io zatovo io, ataovy hoe: Honenana toy ny tanàna tsy mimanda i Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy. Ary Izaho, — teny marin'ny Tompo — no ho manda afo manodidina azy sy hahazo voninahitra eo afovoany. Manaova hobim-pifaliana sy miravoravoa, ry zanakavavin'i Siôna, fa indro Aho tamy, ary honina ao afovoanao, — teny marin'ny Tompo —. Amin'izany andro izany, maro ny firenena hiraiki-po amin'ny Tompo, ka ho vahoakako izy ireo; ary Izaho honina ao afovoanao.”
Henoy, ry firenena, ny tenin'ny Tompo, ampandreneso ny Nosy any lavitra! Ilay nampiely an'i Israely dia hanangona, ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny.
Eny, ny Tompo hanafaka an'i Jakôba, sy hanavotra azy amin'ny tanan'ny mahery noho izy. Ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo eny amin'ny havoan'i Siôna, hankafy ny zava-tsoan'ny Tompo: ny vary sy divay, diloilo, zanak'omby aman'ondry!
Amin'izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy; ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana! Ny fisaonany hampodìko ho haravoana, hafaliana no hatambiko ny fahoriany!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 9, 44b-45Tamin'izany andro izany, raha ilay mbola gaga tamin'izay rehetra nataon'i Jesoa iny ny vahoaka rehetra, dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: “Alatsaho tsara ao amin'ny sofinareo izao rehetra izao, satria tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan'ny olona ny Zanak'Olona.” Fa tsy azon'izy ireo izany teny izany, fa takona taminy ka tsy fantany, sady tsy sahy nanontany Azy ny amin'izany izy.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin'ny finoana anie mba ho azonay amin'ny Sakramenta.
Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.
Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin'ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.