Alarobia 16 febroary 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.
Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin'ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Nony afaka efapolo andro, dia namoha ny varavarankely nataony tamin'ny sambo fiara i Nôe, ka nandefa ny goaika izay lasa nivoaka nefa niverimberina teo, mandra-paharîtra ny rano tambonin'ny tany. Ny voromailala indray no nalefany hiala teo aminy, hahitany na efa nihena ny rano tambonin'ny tany na tsia. Tsy nahita izay hipetrahan'ny faladiany anefa ny voromailala
Koa inona no havaliko ny Tompo, fa maro dia maro ny soa nataony? Halaiko ny kalisim-pamonjena, hantsoiko ny Anaran'ny Tompontsika.
Hefaiko ny voady izay nolazaiko, hefaiko anatrehan'ny firenena, tsy zakan'ny Tompo tokoa anie ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Efaiko ny voadiko taminao, efaiko anatrehan'ny firenena; efaiko ao an-kianjan'ny tranonao, ao Jerosalema tanànanao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 8, 22-26Tamin'izany andro izany, tonga tany Betsaida i Jesoa sy ny mpianany, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy. Dia noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay jamba ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra. Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: “Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin'ny hazo.” Dia nametrahany tanana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. Ary nasain'Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe: “Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin'ny olona ao an-tanàna.”
Fankalazana ny Eokaristia
Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an'izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.
Nihinana ireo zanak'i Israely ka voky, nomen'ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.
Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.