Alakamisy 17 febroary 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.
Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin'ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Nitso-drano an'i Nôe sy ny zanany lahy Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: “Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany. Hatahotra anareo sy himalo avokoa ny bibin'ny tany rehetra, ny vorona eny amin'ny habakabaka rehetra, ny zava-mihetsiketsika rehetra ambonin'ny tany, mbamin'ny hazandrano rehetra anaty ranomasina; efa natolotra eo an-tananareo ireny. Ho fihinana ho anareo avokoa rahefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina; fa omeko anareo daholo izany rehetra izany, toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso. Kanefa ny nofo, aza haninareo miaraka amin'ny ainy; izany hoe ny rany. Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra sy ny olombelona; ny tanan'olombelona izay mpirahalahy no hampamoahiko ny ain'ny olombelona. Ka na zovy na zovy handatsaka ran'olona, dia mba halatsak'olona koa ny rany, satria nataon'Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona. Ka dia miteraha maro ianareo, mihabetsaha ianareo; mieleza eran'ny tany, ka mihabetsaha eny.”
Hatolotra ny Anaran'ny Tompo ireo firenena, hanaja ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra eran-tany! Ny Tompo manko hanorina an'i Siôna, ka hiseho anatin'ny voninahiny hanatrika ny vavak'izay norobaina, tsy hanosika ny talohan'izy ireo.
Soraty izay ho an'ny taranaka any aoriana: ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho ary! Avy any an-toerana masina any ambony Izy mitsinjo; avy any an-danitra ny Tompo mitazana ny tany; hahenoany ny senton'ny mpifatotra, hanafahany an'ireo voatondro hovonoina.
Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay; ary ny taranany hijoro eo anoloanao; ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran'ny Tompo, sy ao Jerosalema ny fiderana Azy, raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo ireo vahoaka sy ireo fanjakana!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 8, 27-33Tamin'izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany nankany amin'ny vohitra manodidina an'i Sezarean'i Filipo, ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: “Ataon'ny olona ho iza moa Aho?” Ary ireo namaly Azy, nanao hoe: “I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin'ny mpaminany, hoy kosa ny sasany.” Hoy Izy tamin'izy ireo: “Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?” Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: “Ianao no i Kristy.” Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin'iza na amin'iza. Tamin'izay, nambarany tamin'izy ireo fa ny Zanak'Olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin'i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an'i Piera hoe: “Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an'Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona.”
Fankalazana ny Eokaristia
Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an'izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.
Nihinana ireo zanak'i Israely ka voky, nomen'ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.
Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.