Talata 15 febroary 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.
Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin'ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Hitan'ny Tompo fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan'ny fisainana rehetra avy amin'ny fony isan'andro. Ka nanenina ny Tompo tamin'ny nahariany ny olombelona tambonin'ny tany; ary nalahelo tao am-pony Izy, ka hoy Izy hoe: “Haringako tsy ho eo ambon'ny tany ny olombelona noarîko, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny voro-manidina, fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.” I Nôe kosa anefa dia nahita fitia teo imason'ny Tompo. Hoy ny Tompo tamin'i Nôe: “Midira ao an-tsambo fiara ianao sy ny ankohonanao rehetra, fa amin'izao olona miara-belona aminao izao, dia ianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako. Ny biby madio rehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy, no halainao ho ao aminao; ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao; ny voro-manidina koa, fito tsiroaroa avy, mba hampaharitra ny karazany tsy ho faty eto ambonin'ny tany, lahy sy vavy. Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin'ny tany Aho, mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina; ka hofongorako eo ambonin'ny tany ny zavatra rehetra nataoko.” Notanterahin'i Nôe avokoa izay rehetra nasain'ny Tompo nataony. Ary nony afaka fito andro dia nibosasaka teto ambonin'ny tany ny safo-drano.
Rey zanak'Andriamanitra, mieke ny Tompo: ny Anaran'ny Tompo iekeo voninahitra! Ny Tompo iankohofy ao an-kianjany masina!
Feon'ny Tompo ambony rano: ny Tompo ambony ranobe! Feon'ny Tompo ary hery! Feon'ny Tompo ary fiandrianana!
Andriamanitra be voninahitra mampitalakotroka! Feon'ny Tompo manoditra ny ala! Ny Tompo mipetraka hatramin'ny safo-drano; ny Tompo mitoetra manjaka hatrizay!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 8, 14-21Tamin'izany andro izany, nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely. I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe: “Mitandrema tsara ianareo fandrao azon'ny lalivain'ny Farisianina sy ny lalivain'i Herôda.” Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe: “Noho isika tsy manana mofo izay.” Fantatr'i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy: “Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo? Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo? Donto ny fonareo? Mana-maso fa tsy mahita va ianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare? Ary tsy mahatadidy va ianareo? Raha nizara ny mofo dimy tamin'ny olona dimy arivo Aho, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?” Dia hoy ireo taminy hoe: “Roa ambin'ny folo.” Dia hoy i Jesoa: “Ary raha nizara ny mofo fito tamin'ny olona efatra arivo, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?” Hoy ireo hoe: “Fito.” Dia hoy Izy taminy: “Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an'izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.
Nihinana ireo zanak'i Israely ka voky, nomen'ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.
Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.