Zoma 21 janoary 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy ho an'ny Kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, ankehitriny dia voatendry hanao fandraharahana ambony lavitra i Kristy Mpisorombentsika fa Mpanalalana amin'ny fanekena tsaratsara kokoa sy miankina amin'ny fampanantenana ambony kokoa. Eny tokoa, satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany, dia tsy misy antony hanoloan'ny faharoa azy akory. Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra no miteny toy izao: “Indro, hoy ny Tompo, ho avy ny andro hanaovako fanekena vaovao amin'ny fianakavian'i Israely sy ny fianakavian'i Joda; tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin'ny razan'izy ireo, tamin'ny andro nitantanako sy nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy”, hoy ny Tompo; fa fanekena toy izao kosa no hataoko amin'ny fianakavian'i Israely, rahefa afaka izany andro izany”, hoy ny Tompo: “Halatsako ao an-tsainy ny Lalàko, ary hosoratako ao am-pony; ka Izaho ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy kosa ho vahoakako. Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy, na hanao amin'ny rahalahiny hoe: Mahalalà an'Andriamanitra. Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. Satria havelako ny hadisoany, ary tsy ho tsaroako ny fahotany.” Manambara ny voalohany ho efa antitra Izy, amin'ny filazana ny faharoa hoe vaovao; ary izay hoe tranainy sy efa antitra dia efa madiva ho levona mihitsy.
Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao! Omeo anay ny famonjenao. Eny, akaiky an'izay matahotra Azy ny famonjeny, ka honina amin'ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana: mitrebona an-tany ny fahamarinana, mitranga avy eny an-danitra ny rariny.
Ny Tompo manome orana amim-peo avo, ka ny tanintsika manome ny vokany. Ny rariny mizotra eo anoloany; ny fiadanana eo amin'ny soritry ny diany!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 3, 13-19Tamin'izany andro izany, i Jesoa niakatra tany amin'ny tendrombohitra anankiray, ka niantso izay tiany hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo. Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony. Ary i Simôna nomeny fanampin'anarana hoe Piera; ary i Jakôba zanak'i Zebede sy i Joany rahalahin'i Jakôba, izay nomeny fanampin'anarana hoe Bôanerjesy, izany hoe zana-baratra; ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy, sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak'i Alfe, sy i Tade, sy i Simôna Zelôty, ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.
Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.
Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin'ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin'ny fitiavana.