Asabotsy 22 janoary 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, nisy tranolay natao, ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina, dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana, sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra. Ary ny efitra lamba faharoa kosa, dia atao hoe fitoerana masina indrindra. Fa i Kristy kosa, nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin'ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana, izany hoe tsy mba anisan'izao zava-boaary izao; sady tsy mba ran'osilahy na ran-janak'omby, fa ny Ran'ny Tenany no nentiny niditra tao amin'ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay. Ary raha ny ran'osilahy sy ny ran-janak'omby aza mbamin'ny famafazana ny lavenom-bantotr'ombivavy, nanamasina izay voaloto amin'ny fanadiovana ny nofo, mainka ny Ran'i Kristy izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny tamin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin'ny asa maty, mba hanompoantsika an'Andriamanitra velona!
Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana! ianareo andriamanitra manaova hora-pifaliana! Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra, Mpanjaka lehibe amin'ny tany tontolo.
Andriamanitra miakatra arahina hoby; ny Tompo misandratra amim-peon'anjomara! Antsao Andriamanitra! antsao! Antsao ny Mpanjakantsika! antsao!
Fa Mpanjakan'ny tany tontolo Andriamanitra; koa antsao amim-pirindrana! Andriamanitra manjaka amin'ireo firenena; Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 3, 20-21Tamin'izany andro izany, niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo. Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo: “Efa very saina Izy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.
Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.
Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin'ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin'ny fitiavana.