Alakamisy 20 janoary 2033

Alakamisy Faharoa tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 65, 4

Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Heb. 7, 25 — 8, 6

Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio

« Indray mandeha monja Izy no nanolotra fanatitra tamin'ny nanolorany ny tenany. »

Ry kristianina havana, i Jesoa no mahavonjy marimarina izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo. Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin'ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra; ary tsy mila hanolotra sorona isan'andro toy ny mpisorombe hafa ho an'ny fahotan'ny tenany aloha, dia ho an'ny vahoaka koa; fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin'ny nanolorany ny Tenany, dia ampy. Satria olona zoim-pahalemena no atsangan'ny Lalàna ho mpisorombe: fa ny tenin'ny fianianana taorian'ny Lalàna kosa dia manendry ny Zanaka, izay tonga amin'ny fara fanaperana mandrakizay. Fa izao no tompon'ny zavatra lazaina amin'izao, dia ny ananantsika Mpisorombe toy izany, izay mipetraka eo ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo indrindra any an-danitra, mpandraharaha ao amin'ilay tena fitoerana masina sy tena tranolay tsy naorin'olona, fa naorin'ny Tompo. Satria ny mpisorombe rehetra, dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona, ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa izy. Raha etý an-tany, dia tsy mba ho mpisorona akory izy, satria misy rahateo izay manolotra fanatitra araka ny Lalàna; ireo dia sary sy tandindon'ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony araka ny natoron'Andriamanitra an'i Môizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: “Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.” Fa ny azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra, fa Mpanalalana amin'ny fanekena tsaratsara kokoa sy miankina amin'ny fampanantenana ambony kokoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17.
Fiv.: Intý aho tamy, Tompoko. Ny manao ny sitrakao no mamiko.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, nosokafanao manko ny sofiko. Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana: ka hoy aho hoe: «Intý aho tamy.»
«Voasoratra ao amin'ny Boky ny momba ahy! Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro no mamiko! Eny, ato anatin'ny foko ny Lalànao!»
Torìko ao am-piangonam-be ny fahamarinanao. Fantatrao, ry Tompo; tsy akomboko ny molotro.
Fa hifaly sy hiravo aminao kosa izay rehetra mitady Anao; ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe: «Lehibe ny Tompo!»

Aleloia. Aleloia.
Araikao amin'ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 3, 7-12
« Niantso ny fanahy ratsy nanao hoe: “Ianao no zanak'Andriamanitra”, fa norarany izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy. »

Tamin'izany andro izany: Lasa nankany amin'ny ranomasina niaraka tamin'ny mpianany i Jesoa, ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy. Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema, sy tany Idomea, sy tany an-dafin'i Jordany, ary tamin'ny tany manodidina an'i Tira sy Sidôna no nankeo aminy nony nandre ny nataony. Ary nilaza tamin'ny mpianany Izy mba hanomana sambo kely hiandry Azy eo noho ny habetsahan'ny vahoaka fandrao dia poritin'ny olona Izy. Fa nahasitrana olona betsaka Izy, ka nifanesika hanendry azy izay rehetra nanana aretina. Ary raha nahita Azy koa ny fanahy maloto, dia miankohoka eo anatrehany ka miantso Azy hoe: “Ianao no zanak'Andriamanitra”; fa rarany sy rahonany mafy izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.

Kômonio Sal. 22, 5

Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin'ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin'ny fitiavana.