Alahady 20 jona 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
MAHATOKY ANDRIAMANITRA KA RESEO NY TAHOTRA
Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.
Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jeremia Mpaminany
Efa reko izaho Jeremia ny vava ratsin'ny olona betsaka manao hoe: “Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza! Torio izy! Andeha hotorintsika izy!” Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko, manao andry maso ny diako: Raha mety ho voatarika izy, dia hahombiazantsika, ka dia hamaly faty azy isika. Ny Tompo anefa momba ahy, toy ny lehilahy mahery; ka hitambotsotra ireo mpanenjika ahy, fa tsy haharesy. Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy amin'ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina. Ry Tompon'ny Tafika, Ianao Izay mizaha toetra ny marina, Izay mahita ny voa sy ny fo, hahita ny famalianao an'ireo aho, fa Ianao no nanankinako ny diako. Mihirà ho an'ny Tompo, miderà ny Tompo, fa manafaka ny fanahin'ny ory amin'ny tanan'ny ratsy fanahy Izy.
Noho ianao no ilonjoako latsa sy mahasafo-kenatra ny tavako ka olon-kafa amin'ny zanak'ineny aho sy vahiny amin'ireo rahalahiko.Ny fahasaro-piaroko ny tranonao no maharîtra ny aiko; ny latsan'ny mpandatsa anao no miantefa amiko.Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo! Iantrao aho, ry Andriamanitra; valio fa be fitiavana Ianao, fa marina ny vonjinao.Valio aho fa soa ny fitiavanao, todiho fa be ny hatsaram-ponao. Ny ory mahita ka faly: Veloma ny aina, ry mpitady ny Tompo,fa mihaino ny mahantra Andriamanitra; ny babo tsy hainy hamavoina. Hidera Azy ny tany sy ny lanitra, ny ranomasina sy izay velona ao.
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, nidiran'ny fahotana tamin'izao tontolo izao, tamin'ny olona iray (izany hoe tamin'i Adama), ary nidiran'ny fahafatesana noho ny fahotana ka nifindra tamin'ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra: fa nisy ota ihany tamin'izao tontolo izao na talohan'ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna. Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin'i Adama ka hatramin'i Môizy, na dia tamin'izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon'i Adama aza; ary i Adama dia tandindon'ilay Adama ho avy. Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana, fa raha ny fahadisoan'ny anankiray aza nahafatesan'ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan'ny Olona iray, dia i Jesoa Kristy no handraisan'ny olona rehetra an-kabetsahana ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 10, 26-33Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin'ny Apôstôly hoe: “Aza matahotra ny olona ianareo, fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina dia ambarao eo amin'ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin'ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano; ary aza matahotra izay mamono ny vatana, fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin'ny afobe. Moa tsy varifitoventy monja va no vidin'ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin'ny tany iray akory, raha tsy avelan'ny Rainareo. Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa. Koa aza matahotra fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo. Ary amin'izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra; ary izay handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra”.
Tsy dia firy amin'ny kristianina no sahy mitonona ho mpianatr'i Kristy; nefa izao tontolo izao mitady Azy fa tsy mahita; koa mivavaha mba ho vavolombelona be herim-po isika, ary ho sahy maty hampahafantatra Azy.
Ry Jesoa Tompo ô, amin'ny farandro dia horaisinao hankeo aminao izay sahy miseho fa mpianatrao; koa mba ataovy anisan'ireo izahay.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ity sorom-pifonana sy fiderana ity: ary enga anie handio anay ny fahasoavana avy aminy, ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.
Prefàsy: Alahady tsotra III, ohatra.
Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony arapotoana.
Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy ny Ran'i Kristy; koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.