Asabotsy 19 jona 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.
Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan'izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin'ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky faharoan'ny Tantara
Nony maty i Jôiadà, tonga niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka ny lehibe tamin'i Jodà, ka nihaino azy ireo ny mpanjaka, dia nandao ny tranon'ny Tompo Andriamanitry ny razany izy ireo, ary ny aserah mbamin'ny sampy no nomeny voninahitra. Tratry ny fahatezeran'ny Tompo anefa i Jodà sy i Jerosalema noho izany fivadihana izany. Naniraka mpaminany tany amin'izy ireo ny Tompo hampiverina azy ireo aminy indray, ka nitsangana ho vavolombelona nanohitra azy ireo ireny, nefa tsy nohenoiny. Notsindrian'ny fanahin'Andriamanitra i Zakaria, zanak'i Jôiadà mpisorona, ka nankeo anatrehan'ny vahoaka nilaza taminy hoe: “Izao no lazain'Andriamanitra: Ahoana no andikanareo ny didin'ny Tompo, tsy hahazoanareo fanambinana? Noho ianareo nahafoy ny Tompo, dia mba hafoiny koa.” Ka niray tetika hamely an'io izy ireo, ka nitora-bato azy, dia teo amin'ny kianjan'ny tranon'ny Tompo, noho ny didin'ny mpanjaka. Tsy tsaroan'i Jôasa ny fitiavana nataon'i Jôiada rain'i Zakaria taminy, ka nampamono an'itý zanany izy. Hoy i Zakaria nony efa ho faty: “Hijery sy hamaly an'izao anie ny Tompo!” Nony niherina ny taona, niakatra hamely an'i Jôasa ny tafiky ny Sirianina ka dia tonga tany Jodà sy Jerosalema izy. Namono ny lehibe rehetra teo amin'ny vahoaka izy ireo, sy nampitondra ny babo azony rehetra ho any amin'ny mpanjakan'i Damasa. Miaramila vitsy no teo amin'ny tafiky ny Sirianina, nefa miaramila maro be no natolotry ny Tompo ho eo an-tanany satria izy ireo nahafoy ny Tompo Andriamanitry ny razany. Nanefa ny fitsarana namely an'i Jôasa ny Sirianina. Nony nilaozan'ireny, ka efa feno ratra maro izy, dia nanaovan'ny mpanompony teti-be hasiana, noho ny amin'ny ran'ny zanak'i Jôiadà mpisorona, ka novonoiny teo am-pandriany, dia maty. Nalevina tao an-tanànan'i Davida izy, nefa tsy natao tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
Nanao fanekena tamin'ilay voafidiko Aho; nianiana tamin'i Davida mpanompoko: Ajoroko ho mandrakizay, hoy Aho, ny taranakao, aoriko ho lalandava ny Fiketrahanao!
Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko, ho azony antoka ny fanekeko! Hapetrako eo am-piketrahany ny taranany, ho toy ny andron'ny lanitra ny fitoeram-piandrianany.
Raha mandao ny Lalàko ireo zanany, raha tsy manaraka ny satako, fa manazimba ny fitsipiko, sy tsy mitandrina ny baikoko,
Dia ho sazîko amin-tsora-kazo ny hadisoan'ireny, sy amin-kapoka ny helony. Fa izy tsy hanesorako ny hatsaram-poko. Tsia, tsy hofoanako ny Teny napetrako.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 6, 24-34Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny vola ianareo. Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? Jereo ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza? Ary ahoana no anahianareo ny amin'ny fitafiana? Zahao ny fanirin'ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny; kanefa lazaiko aminareo fa na dia i Salômôna teo amin'ny voninahiny rehetra aza dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'izy ireny. Ka raha toy izany no fanafin'Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo ry kely finoana? Noho izany aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay na inona no hotafinay? Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany; ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. Koa katsaho àry aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny. Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin'ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.
Ny zava-tokana angatahiko amin'ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra hiainako.
Manambara ny firaisan'ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin'ny Eglizinao.