Zoma 18 jona 2032

Zoma Faharaika ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 26, 7. 9

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.

Fangatahana

Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan'izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin'ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Mpanj. 11, 2-4. 9-18. 20

Boky faharoan'ny Mpanjaka

« Nohosoran'ny vahoaka i Jôasa, ary natoany hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka. »

Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Atalia renin'i Okôziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra. Fa i Jôsabà zanakavavin'i Jôrama mpanjaka, sy anabavin'i Okôziasa, naka an'i Jôasa zanak'i Okôziasa kosa, sy nanatsoaka azy teo amin'ny zanak'andriana, izay novonoin'ny olona, ary nametraka azy mbamin'ny mpitaiza azy, tao an'efitra fitoeram-parafara, ka voaafina tsy hitan'ny mason'i Atalia, ka tsy novonoina izy. Enin-taona no nieren'izy sy i Jôsabà tao an-tranon'ny Tompo. Ary i Atalia no nanjaka tamin'izany. Tamin'ny taona fahafito, i Jôiadà naniraka haka ny tompon-jaton'ny Kariana sy ny mpihazakazaka ary nasainy hanatona azy ao an-tranon'ny Tompo. Nanao fanekena tamin'izy ireo izy, ka nony efa nampianiana azy tao an-tranon'ny Tompo izy, dia nasehony azy itý zanaky ny mpanjaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 131, 11-12. 13-14. 17-18
Fiv.: Ny Tompo nifidy an'i Siôna izay tiany hatao fonenana.

Hoy ny Tompo raha nianiana teo imason'i Davida: Ho an'izay haterakao ny seza fiandriananao. Ny taranany aoriana koa handimby azy eo, raha mitandrina ny didy sy manaja ny fanekena.
Fa ny Tompo dia nifidy an'i Siôna mba ho Azy; ka ataony Fitsaharany honenany hatrany. Fitsaharana maharitra ka tiako lalandava.
Ka hataoko masin-teny sy malaza i Davida. Hanomanako fanilo ilay Voahosotro hanjaka. Ary hataoko safo-kenatra izay mety ho fahavalony, ka hamiratra eo an-kandriny ny satro-boninahiny.

Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 6, 19-23
« Miharia harena ho anareo any an-danitra. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Aza mihary harena ho anareo etý an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran'ny harenao no itoeran'ny fonao koa. Ny maso no jiron'ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin'ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin'ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.

Kômonio Sal. 26, 4

Ny zava-tokana angatahiko amin'ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra hiainako.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Manambara ny firaisan'ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin'ny Eglizinao.