Alatsinainy 21 jona 2032

Alatsinainy Faharoa ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 27, 8-9

Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.

Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Mpanj. 17, 5-8. 13-15a. 18

Boky faharoan'ny Mpanjaka

« Tezitra indrindra tamin'i Israely ny Tompo, ka nesoriny tsy ho eo imasony izy. Ny fokon'i Jodà irery no sisa. »

Tamin'izany andro izany, notetezin'i Salmanazara mpanjakan'i Asiria avokoa ny tany, dia niakatra hamely an'i Samaria izy, ka nanao fahirano azy telo taona. Nony tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Osea dia azon'ny mpanjakan'i Asiria i Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria i Israely namponeniny tany Halà, teo amoron'ny Habôra, ony any Gôsàna, ary teny amin'ny tanànan'ny Meda. Izany no tonga, dia noho ny zanak'i Israely nanota tamin'Andriamanitra Tompony izay nitondra azy niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta, avy teo ambanin'ny fahefan'i Faraôna, mpanjakan'i Ejipta, sy noho izy ireo natahotra andriamani-kafa. Narahin'izy ireo ny fombam-pivavahan'ireo firenena izay noroahin'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'i Israely, sy ny fomba noforonin'ny mpanjakan'i Israely. Nitsangan-ko vavolombelona anefa ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany sy ny mpahitany niampanga an'i Israely sy i Jodà nanao hoe: “Miverena avy amin'ny lalan-dratsinareo, ka tandremo ny didy amam-pitsipiko, amim-panarahana ny lalàna manontolo, nandidiako ny razanareo sy ny nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko, ho any aminareo.” Fa tsy nihaino izany izy ireo, fa nanamafy ny hatony, toy ny razany izay tsy nino ny Tompo Andriamanitra. Nolaviny ny lalàny amam-panekem-pihavanana nataony tamin'ireo razany mbamin'ny teni-vavolombelona niampangany azy ireo. Dia tezitra indrindra tamin'i Israely ny Tompo, ka nesoriny tsy ho eo imasony intsony izy. Ny fokon'i Jodà irery no sisa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 59, 3. 4-5. 12-13.
Fiv.: Ny tananao, aoka hamonjy anay, ry Tompo.

Andriamanitra ô, narianao izahay, nopotehinao! Tezitra Ianao ka nihataka lavitra.
Nohozoninao ny tany, notresahinao: mivava izy, ka amboary fa mihotsaka! Nataonao nahita ny mafy ny vahoakanao; nobobohanao fisotro mampandraingiraingy izahay.
Ry Andriamanitra izay nahary anay, sy tsy miara-mivoaka amin'ny tafikay intsony? Vonjeo amin'ilay Rafy izahay; fa ny vonjy avy amin'olombelona, tsy misy antony.

Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin'ny fahamarinanao aho.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 7, 1-5
« Esory aloha ny sakamandimby izay eo amin'ny masonao. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo; fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa. Ary nahoana ianao no mahita ny tapak'ahitra ao amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin'ny masonao? Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: “Avelao hesoriko ny tapak'ahitra amin'ny masonao”, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin'ny anao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin'ny masonao, ary rahefa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak'ahitra ao amin'ny mason'ny rahalahinao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Kômonio Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin'i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.