Alakamisy 03 jona 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.
Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
Ry malala, tsarovy fa i Jesoa Kristy, Ilay avy amin'ny taranak'i Davida, dia nitsangan-ko velona araka ny Evanjely torìko, izay iaretako fijaliana hatramin'ny fatorana toy ny olon-dratsy aza; ny tenin'Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra. Noho izany, dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin'ny olom-pinidy, mba hahazoan'izy ireo koa ny famonjena izay ao amin'i Kristy Jesoa, mbamin'ny voninahitra mandrakizay. Teny mahatoky tokoa izao: raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika; raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny tenany. Ampahatsiarovy ny olona izany, ary anaro eo anatrehan'Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza. Mikeleza aina mba hiseho amin'Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin'ny teny fahamarinana.
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ny soritrao ampianaro ahy. Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ry Tompo: fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsara fo sy mahitsy ny Tompo. Ka ny mpanota toroany lalana; ny ory tarihiny amin'ny hitsiny; ny ory ampianariny ny lalany.
Ny lalan'ny Tompo rehetra hatsaram-po sy fahamarinana amin'ny mpitandrina ny fanekeny sy ny fanambaràny. Ny tsiambaratelon'ny Tompo ho an'izay matahotra Azy; ny fanekeny manome fahalalana tokoa azy ireo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 12, 28b-34Tamin'izany andro izany, nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an'i Jesoa sy nanontany Azy hoe: “Inona no voalohany amin'ny didy rehetra?” Ary i Jesoa namaly azy hoe: “Ny voalohany indrindra amin'izy rehetra dia itý: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana; koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, sy amin'ny sainao rehetra ary amin'ny herinao rehetra. Izany no didy voalohany. Ary itý no faharoa mitovy aminy ihany koa: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin'ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.
Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.
Enga anie, ry Tompo, hotarihin'ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin'ny Vatana aman-dRan'ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin'ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin'ny fanjakan'ny lanitra.