Alarobia 02 jona 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.
Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Fiandohan'ny taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
I Paoly, Apôstôlin'i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon'Andriamanitra, mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin'i Kristy Jesoa, mamangy an'i Timôte, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po amam-piadanana, avy amin'Andriamanitra Ray, sy i Kristy Jesoa Tompontsika. Misaotra an'Andriamanitra izay tompoiko amin'ny saina madio aho, araka ny nataon'ny razako; ary tsy mitsahatra ny mahatsiaro anao andro aman'alina amin'ny fivavahako. Noho izany, mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin'ny fametrahako tanana taminao. Fa tsy fanahy osa no nomen'Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena. Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin'ny herin'Andriamanitra, izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin'i Kristy Jesoa, talohan'ny taona rehetra, sy naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, Ilay nanafoana ny fahafatesana, sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin'ny Evanjely. Izany Evanjely izany, no nanendrena ahy ho mpitory sy Apôstôly ary mpampianatra ny jentily; ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin'izany anefa aho, fa fantatro izay ninoako ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-piavin'izay andro izay.
Ry Tompoko, Ianao izay mitoetra any ambony! Ny masoko miandra mibanjina Anao. Sahala amin'ny mason'ireo mpanompo, miandra ny tanan'ny tompony hatrany.
Sahala amy mason'ny mpanompovavy, miandra ny tanan'ny tompony hatrany. Iantrao re izahay Andriamanitra Tompo, fa vokin'ny eso, efa tofoka loatra!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 12, 18-27Tamin'izany andro izany, dia nanatona an'i Jesoa ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan'ny maty ka nanontany Azy hoe: “Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan'i Môizy ho antsika: Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy. Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba. Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo. Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa. Faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?” Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: “Moa tsy diso hevitra va ianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan'Andriamanitra? Fa rahefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. Ary raha ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakînareo va ao amin'ny Bokin'i Môizy, amin'ilay misy ny voaroy, izay nolazain'Andriamanitra taminy hoe: “Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'i Isaaka, ary Andriamanitr'i Jakôba?” Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an'ny velona. Koa diso lehibe loatra ianareo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin'ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.
Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.
Enga anie, ry Tompo, hotarihin'ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin'ny Vatana aman-dRan'ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin'ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin'ny fanjakan'ny lanitra.