Zoma 04 jona 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
NY FON'I JESOA NO ILAY FO FATRA-PITIA NY OLOMBELONA
Izay ampoizin'ny Tompo hatao, maharitra mandrakizay, ny fikasan'ny Fony amin'ny taranaka mifandimby, ka hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana Izy, sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.
Ry Andriamanitra Rainay ô, ao amin'ny Fon'ny Zanakao malalanao no anomezanao anay ny hafaliana hankalaza ireo zava-dehibe nataonao noho ny fitiavanao anay; koa enga anie izahay hanovo ny fanomezanao safononoka avy amin'io loharano tsy mety ritra io.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina, amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Detoronomy
Hoy i Moizy tamin'ny vahoaka: “Vahoaka masina ho an'ny Tompo Andriamanitrao ianao. Ianao no nofidin'ny Tompo Andriamanitrao mba ho vahoakany manokana eo amin'ny vahoaka hafa rehetra ambonin'ny tany. Tsy noho ianareo mihoatra isa noho ny vahoaka rehetra anefa, no niraiketan'ny Tompo taminareo sy nifidianany anareo; vitsy noho ny vahoaka hafa rehetra aza ianareo; fa noho ny fitiavany anareo, sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin'ny razanareo, dia nentin'ny Tompo nivoaka, tamin'ny tànana mahery, sy navotany tamin'ny trano fanandevozana ianareo, dia tamin'ny tànan'i Faraona mpanjakan'i Ejipta. Koa aoka ho fantatrao àry fa ny Tompo Andriamanitrao no tena Andriamanitra, dia Andriamanitra tsy mivadika, fa maharitra amin'ny fanekena amam-pamindram-po, hatramin'ny taranaka faharivo amin'izay tia azy sy mitandrina ny didiny. Fa mamaly an-kitsirano kosa an'izay mankahala azy, amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra akory izy ny amin'izay mankahala azy, fa hovaliany ankitsirano izao.
Koa tandremo ny didy sy ny lalàna amam-pitsìpika andidiako anao anio, ka tanteraho izany."
Isaory ny Tompo, ry fanahiko,ary isaory ny anarany masina, ry ato anatiko rehetra.Isaory ny Tompo, ry fanahiko,ary aza hadinoina ny soa rehetra avy aminy.
Fa Izy no mamela ny helokao rehetraManasitrana ny aretinao rehetraIzy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka.manenika fitiavana sy famindram-po anao.
Manao ny fitsarana ny Tompomanome rariny an'izay rehetra nampahorinanampiseho ny lalàny tamin'i Moizy izy,ary ny asany lehibe, tamin'ny Israelita.
Mamindra fo sy miantra ny Tompomahari-po sy be fitiavana.Tsy manao amintsika araka ny fahotantsika,ary tsy mamaly antsika araka ny helotsika.
Taratasy voalohany nosoratan'i Md. Joany Apôstôly
Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin'Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin'Andriamanitra, sy mahalala an'Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mahalala an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. Ary nampiseho ny fitiavany antsika izy, tamin'ny nanirahany ny Zanany lahitokana ho amin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. Ary toy izany fitiavana izany: tsy isika no tia an'Andriamanitra rahateo, fa izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin'ny fahotantsika. Ry malala, raha toy izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia tokony mba hifankatia koa isika. Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana azy.
Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary izy ao amintsika. Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho mpamonjy an'izao tontolo izao ny Ray. Na iza na iza hanaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin'Andriamanitra. Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra amin'ny fitiavana dia mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 11, 25-30Tamin'izany andro izany, dia hoy Jesoa hoe: "Misaotra anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy be saina hianao, ary nanambara azy tamin'ny tso-po kosa.
Eny, misaotra aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana azy. Mankanesa atý amiko hianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana, fa hanamaivana anareo aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho, dia hahita fiadanana ho an'ny fanahinareo hianareo; fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.”
Ry kristianina havana, ny Fon'i Jesoa Tompo no itodihantsika anio, ka matoky isika fa hohenoiny; koa hararaoty izany fitokiana izany hivavahantsika ho an'ny olombelona rehetra, izay nahafoizany ny ainy noho ny fitiavany tsy taka-polopolorina.
Ry Jesoa Tompo ô, ny Fo nofo tao aminao dia endrika ahitanay ny fitiavanao tsy misy fetra, amelanao ny helokay sy itiavanao ny olombelona tsy an-kanavaka, koa mba ovao ny fonay hahay miantra sy mitia tahaka ny Fonao, Ilay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Eokaristia
Todiho maso, ry Tompo, ny fitiavana tsy hay lazaina avy amin'ny Fon'ny Zanakao malalanao; koa mihanta aminao izahay: enga anie izao tontolo izao mba ho fanatitra hankasitrahinao, no sady ho fanonerana ny otanay.
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
Ilay nentanim-pitiavana ka nasandratra teo amin'ny Hazofijaliana mba hanolo-Tena ho anay, ary nandrotsaka rano sy Ra avy amin'ny Fony ho loharanon'ny Sakramentan'ny Eglizy, mba hahatarika ny olona rehetra hankeo amin'ny Fon'Izy Mpamonjy nolefonina, sy ho sambatra hiala hetaheta tsy an-kijanona eo amin'ny loharanom-pamonjena.
Izany no iarahanay amin'ny Olomasina sy ny Anjely rehetra mankalaza Anao tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina. . .
Hoy ny Tompo hoe: «Raha misy mangetaheta, tongava aty amiko hisotro. Izay mino Ahy, hiboiboika rano velona ao aminy».
Enga anie, ry Tompo, izao Sakramenta tsangam-baton'ny fitiavana izao hampiredareda ny fitiavana masina ao am-ponay, hany ka rehefa voasintona mandrakariva hanatona ny Zanakao izahay, dia hiezaka hahita Azy koa ao amin'ny namanay.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.