Alatsinainy 19 aogositra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.
Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Ezekiela Mpaminany
Tonga tamiko ny Tenin'ny Tompo nanao hoe: “Ry zanak'olona, indro hesoriko tampoka aminao, amin'ny indray mitselatra monja, ilay fifalian'ny masonao; nefa aza midradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory. Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty. Ataovy amin'ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao, aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana.”
Nandao ny vatolampy izay niteraka anao ianao ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao. Nahita izany ny Tompo ka tezitra, nohantsin'ny zanany lahy aman-janany vavy Izy.
Hoy Izy: hafeniko azy ny tavako, dia ho hitako izay hiafarany. Fa taranaka mpivadibadika izy, zaza tsy manana hitsim-po.
Nampahasaro-piaro Ahy tamin'izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra Ahy tamin'ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin'izay tsy vahoaka kosa Aho, sy hampahatezitra azy amin'izay firenena adala.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 19, 16-22Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an'i Jesoa ka nilaza hoe: “Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? Dia hoy Izy namaly azy: Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.” Dia hoy izy hoe: “Didy inona avy?” Dia hoy i Jesoa: “Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Dia hoy ilay tovolahy taminy: “Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, ka inona no mbola tsy ampy amiko?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Raha tahîny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.” Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo, satria be ny fananany.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.
Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!
Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.