Alahady 18 aogositra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
«TENA FIHINANA NY NOFOKO, TENA FISOTRO NY RAKO»
Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay, todiho ny Tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.
Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao, hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Ohabolana
Ny Fahendrena efa nanorina ny tranony, efa nipaika ny andriny fito, efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy, ary namboatra ny latabany. Naniraka ny ankizy vaviny izy, dia miantso eo an-tampon'ny havoan'ny tanàna: “Aoka hiditra aty izay kely saina!” Ary hoy izy amin'izay tsy manan-tsaina: “Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko. Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo; ary mizora amin'ny lalan'ny fahazavan-tsaina”.
Izaho misaotra ny Tompo lalandava; ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany. Ny Tompo hafinaretan'ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Matahora ny Tompo ianareo olo-masiny, fa izay matahotra ny Tompo tsy orin'inoninona: ny manana no tonga mahantra sy noana, izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.
Avia, rey anaka, henoy Aho: ny tahotra ny Tompo no hampianariko anareo. Iza ianareo no te ho velona sady maniry fiainan-tsambatra?
Ny lela ambeno amin'ny ratsy, ny molotra aoka tsy hamitaka; ny ratsy, fadîna; ny tsara, atao; ny fiadanana katsahina sy ilofosana.
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy
Ry kristianina havana, tandremo tsara ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry; hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao. Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitraky ny Tompo. Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy Masina ianareo. Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. Misaora an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny Anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Joany
Jo. 6, 51-59Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan'izao tontolo izao”. Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: “Hataon'ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?” Fa hoy i Jesoa tamin'izy ireo: “Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon'ny Zanak'olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin'ny Ray: Toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy. Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra: Tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.
Ry kristianina havana, nambaran'i Jesoa mazava tsara fa tena fihinana ny Nofony, ary tena fisotro ny Rany, koa miraisa fo isika hiara-kitalaho mba hitombo finoana ny kristianina rehetra zanaky ny Eglizy, sy hazoto manao Kômonio, mba hahatafaray antsika rehetra ho tena iray ao amin'i Kristy Tompo, Ilay nanolo-Tena ho sakafo hahavelona antsika mandrakizay.
Ry Jesoa Tomponay ô, natolotrao ho sakafon'ny fanahinay ny Vatanao sy ny Ranao masina, mba hahavelona anay mandrakizay, koa mihanta aminao izahay: hamafiso ny finoanay sy ny fitiavanay mba hahafahanay mitarika ny hafa handray Anao, sy hoentinay manavao ny endriky ny tany.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo.
Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy ety an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.