Talata 20 aogositra 2030

Talata Faharoapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 83, 10-11

Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Ezek. 28, 1-10

Bokin'i Ezekiela Mpaminany

« Olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra akory, na dia ataonao ho toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao. »

Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Ry zanak'olona, lazao ny mpanjakan'i Tira hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitra: Noho ny fonao nanandra-tena, sady ianao nanao hoe: “andriamanitra aho, no ipetrahako eo anivon'ny ranomasina, seza fiandrianan'Andriamanitra”; nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsy akory, na dia ataonao ho toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao! — Indro ianao fa hendry noho i Daniely, tsy misy zava-takona miafina aminao; tamin'ny fahendrenao amam-pahalalanao, nahazo harena ho anao ianao; ka nahangona volamena sy volafotsy miavosa, ho ao amin'ny rakitrao; tamin'ny halehiben'ny fahendrenao, tamin'ny varotrao, hampitombo ny harenao, ka dia nanandra-tena ny fonao azon'ny harenao. — Noho izany, izao no lazain'ny Tompo Andriamanitra: “Satria nanao ny fonao ho toy ny fon'Andriamanitra ianao, noho izany dia indro, hitondra firenen-kafa hamely anao Aho, dia firenena masiaka indrindra amin'ny firenena; hotsoahany ny sabany hamelezana ny filohan'asan'ny fahendrenao, ary hohamavoiny ny famirapiratanao. Havariny any an-davaka ianao, ka ho faty amin'ny fahafatesan'izay voavono ao anatin'ny ranomasina. Ianao va mbola hilaza hoe: andriamanitra aho, eo anatrehan'ny mpamono anao; nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, eo an-tanan'izay mamono anao? Toy ny fahafatin'ny tsy voafora no hahafaty anao, amin'ny tanan'ny hafa firenena; fa Izaho no niteny izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo: Det. 32, 26-27ab. 27de-28. 30. 35de-36ab
Fiv.: Izaho no mahafaty sy mahavelona.

Saika hataoko hoe: hofaohiko amin'ny indray mitsoka ireo, hofoanako tsy ho eo amin'ny olombelona ny fahatsiarovana azy, raha tsy noho ny tahotra ny hireharehan'ny fahavalo, sy ny hahadiso hevitra ny mpandrafy azy.
Ka hilaza hoe: ny tananay no nahery. Fa tsy ny Tompo no nanao izany rehetra izany. Fa firenena tsy manam-pahendrena izy, ary tsy misy saina eo aminy.
Hataon'ny irery lahy ahoana no fanenjika ny arivo, hataon'ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina raha tsy ny Vatolampy no efa nivarotra azy, raha tsy ny Tompo no efa nanolotra azy?
Fa antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy. Fa homen'ny Tompo rariny ny vahoakany, ary noho ny mpanompony dia hanenina Izy.

Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 19, 23-30
« Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodifanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodifanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra.” Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: “Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?” Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: “Tsy hain'olombelona izany, fa vitan'Andriamanitra ny zavatra rehetra.” Namaly i Piera ka nanao taminy hoe: “Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao, ka inona àry no ho azonay?” Hoy i Jesoa taminy: “Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin'ny andro fanavaozana, ny Zanak'Olona dia hipetraka eo amin'ny fiketrahan'ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin'ny fiketrahana roa ambin'ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin'ny folo amin'i Israely. Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny, noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay. Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Kômonio Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.