Alahady 16 jona 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
ANTSOIN'ANDRIAMANITRA HIRAY FIANAKAVIANA AMINY ISIKA
Hankalazaina anie Andriamanitra Ray sy Ilay Zanany Lahy tokana ary ny Fanahy Masina, fa namindra fo tamintsika Izy.
Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin' izao tontolo izao ny Teny mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon'ny fahamasinana, hanambarànao amin'ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra; koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon'ny finoana marina, ka hankatò ny voninahitry ny Olona telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana avo indrindra.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Deterônômy
Tamin'izany andro izany, dia hoy i Môizy tamin' ny vahoaka Israely: “Anontanio ny andro fahagola tany alohanao, hatramin'ny andro naharian'Andriamanitra ny olombelona teto ambonin'ny tany sy hatramin'ny faravodilanitra na aiza na aiza, raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana, na nisy re toy izany akory na oviana na oviana! Vahoaka aiza no efa nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao anatin'ny afo toy ny efa renao, ka mbola velona ihany izy? Oviana no mba nisy andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy tao afovoan'ny firenena iray hafa, tamin'ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe, toraky ny nataon'ny Tompo Andriamanitra ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta? Koa fantaronao anio, sy araiketo ao am-ponao fa ny Tompo no Andriamanitra, any amin'ny lanitra ambony sy ety an-tany ambany, ary tsy misy hafa. Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao, ary mba ho lava ny andronao, amin'ny taona mifandimby rehetra any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao”.
Eny, marina ny tenin'ny Tompo, ny asany rehetra mahatoky, ny rariny sy hitsiny no tiany, mameno ny tany ny fitiavany.
Ny lanitra no vita dia ny tenin'ny Tompo; ny tafiny no misy: ny fofon'ain'ny vavany. Izay lazainy dia efa; izay teneniny, tomombana.
Izay matahotra ny Tompo no ahîny; eny, izay miantehitra amin'ny fitiavany hafahany amin'ny fahafatesana, hovelominy amin'ny tao-mosarena.
Izahay manantena ny Tompo, ilay Mpitahy sy Mpiaro anay. Ny fitiavanao, ry Tompo ô, ho aminay matoky Anao!
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia zanak'Andriamanitra. Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray! Ary ny Tenan'io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy, raha miara-mijaly aminy isika, mba hiarakomem-boninahitra aminy koa.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 28, 16-20Tamin'izany andro izany, niaraka nankany Galilea ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy, any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesoa nalehany. Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy. Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao”.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo. Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Ry kristianina havana, ankalazaintsika anio ny Trinite Masina sy ny fitiavana mampiray ireo Olona telo ao amin'Andriamanitra tokana; koa miraisa fo isika hivavaka mba hanahaka ny fianakavian'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ny olombelona rehetra, ka hifankatia sy hiray fo amam-panahy.
Tompo ô, nekenao ho anisan'ny fianakavianao izahay; koa ampianaro hiaina araka ny fiainanao ary hahatsiaro mandrakariva ny saina amam-panahy tokony hiainanay. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo Andriamanitray ô, mihanta aminao izahay ary miantso ny Anaranao: mba hamasino ireto fanatitray mpanomponao, hahatonga anay koa ho fanatitra lavorary mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.
Andriamanitra tokana Ianao miaraka amin'ny Zanakao Lahy tokana sy ny Fanahy Masina. Tsy tokana amin'ny maha-olon-drery tsy akory, fa tokana amin'ny fomba maha-Andriamanitra tokana ny Olona telo. Inoanay tokoa izay rehetra nambaranao ny amin'ny voninahitrao, ka ankatoavinay tsy an-kanavaka, na momba ny Zanakao na momba ny Fanahy Masina.
Hany ka miaraka amin'ny finoana ny maha-Andriamanitra marina sy mandrakizay Anao, dia tsaohinay ny maha-Olona telo samy hafa Anao sy ny fomba maha-Andriamanitra tokana an'ireo Olona telo ireo ary ny fahandrianana itovizany tanteraka.
Izany fahandrianana izany no derain'ny Anjely sy ny Arkanjely ary ny Kerobima sy ny Serafima, amin'ny hoby isan'andro tsy an-kijanona, iarahanay miredona hoe: Masina, Masina, Masina …
Zanaka ianareo, ka nirahin'Andriamanitra ao anatin' ny fonareo ny Fanahin'ny Zanany miantso hoe: Abà, Ray ô!
Ry Tompo Andriamanitra ô, hahavonjy anay fanahy amam-batana anie ny Kômonio raisinay sy ny fiekenay fa Olona telo mandrakizay Ianao ary Andriamanitra tokana tsy azo sarahina.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.