Alatsinainy 17 jona 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.
Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan'izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin'ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky voalohan'ny Mpanjaka
Tamin'izany andro izany, nanana tanim-boaloboka anankiray i Nabôta avy ao Jezrahela, ary teo akaikin'ny lapan'i Akaba mpanjakan'i Samaria izany. Ka niteny tamin'i Nabôta i Akaba nanao hoe: “Avelao mba ho ahy ny tanim-boalobokao, hataoko fambolem-boaloboka tsara noho izy no homeko ho takalony, na vola araka izay vidiny, raha izany no sitrakao.” Fa hoy i Nabôta namaly an'i Akaba: “Hampanalavirin'ny Tompo ahy anie ny hanome ny lova avy amin'ny razako.” Nody tany an-tranony i Akaba, nanjombona sy sosotra noho itý teny nolazain'i Nabôta avy any Jezrahela taminy hoe: Tsy omeko ny lova avy amin'ny razako. Dia nandry tao am-parafarany izy nampiamboho ny tavany ary tsy nihinan-kanina.
Tompo ô, mba henoy ny teniko, mba fantaro ny eritreritro! Ry Mpanjaka sy Andriamanitra ô! mandrenesa ny feoko miantso!
Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao; ny olon-dratsy tsy mba monina ao aminao; ny adala tsy mijoro eo anoloan'ny masonao, ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao.
Ny mpiteny lainga levoninao; ny tia ra, ny mpamitaka, halan'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 5, 38-42Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify. Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin'ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.
Ny zava-tokana angatahiko amin'ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra hiainako.
Manambara ny firaisan'ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin'ny Eglizinao.