Asabotsy 15 jona 2030

Asabotsy Fahafolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 26, 1-2

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Mpanj. 19, 19-21

Boky voalohan'ny Mpanjaka

« Nitsangana i Elisea, dia nandeha ary nanaraka an'i Elia. »

Tamin'izany andro izany, nony niala teo an-tendrombohitra i Elia dia nahita an'i Elisea, zanak'i Safàta niasa tany. Omby efatra amby roapolo tsiroaroa no teo alohany, ka teo amin'ny faharoa ambin'ny folo laharana izy. Nanatona azy i Elia sady natsipiny taminy ny kapaotiny. Nilaozan'i Elisea ny ombiny, dia nihazakazaka nanaraka an'i Elia izy, nanao hoe: “Aoka handeha hanoroka an'i dada sy i neny aho, dia hanaraka anao.” Ary hoy i Elia taminy: “Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?” Dia niala teo aminy i Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan'ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin'ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an'i Elia sy nanompo azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 9-10
Fiv.: Ianao, ry Tompo, no anjara lovako.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno. F'Ianao re no hany ifefeko, Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay!
Ka isaorako Tompo Ianao. Fa nanolotra saina, fanahy. Sy nanoro ny foko hatrany. Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala ankavanako Izy. Ka hisaorako mandrakizay.
Ts'omby tratra tokoa ny hafaliana, 'zay mameno ny foko tontolo sy manenika 'zato fanahy. Ka ny nofoko mandry amin-toky; fa tsy foinao ho levona ny aiko. Ny olon-tianao tsy foinao ho faty.

Aleloia. Aleloia.
Araikao amin'ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 5, 33-37
« Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin'ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo koa fa voalaza tamin'ny Ntaolo hoe: 'Aza mianiana tsy tò, fa efao amin'ny Tompo ny fianiananao.' Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izy; na amin'ny tany, fa fandiavan'ny tongony izy; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny mpanjaka lehibe izy; na amin'ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ilay Ratsy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Kômonio Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.