Alakamisy 08 febroary 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an'Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan'ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Hoy ny Tompo Andriamanitra: “Tsy tsara raha irery ny lehilahy; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.” Ary ny Tompo Andriamanitra, Izay efa namorona tamin'ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin'ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran'ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy. Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin'ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy. Ka nataon'ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray fa nofo no nakombony ho solony. Ny taolan-tehezana nalain'ny Tompo Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy. Ary hoy ralehilahy: “Amin'izao itý no taolana avy amin'ny taolako, sy nofo avy amin'ny nofoko.” Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy. Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo. Samy nitanjaka izy roa, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahamenatra azy izany.
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin'ny lalany! Mahazo voka-tsoa tokoa amin'ny asanao ianao: ka sambatra sy tretrika.
Ny vadinao foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao! Ny zanakao: solofon'ôliva manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo, hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema amin'ny andro rehetra hiainanao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 7, 24-30Tamin'izany andro izany, i Jesoa, dia nankany amin'ny faritanin'i Tira sy Sidôna, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te-ho fantatr'olona, nefa tsy nahazo niery. Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon'ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin'ny tongony. Jentily avy amin'ny firenena Sirôfenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin'ny zanany vavy. Fa hoy Izy taminy: “Aoka ho voky aloha ny zanaka; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa.” Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: “Marina izany, Tompoko, kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin'ny zanakao vavy ny demony.” Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara fa efa nialan'ny demony.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.
Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.
Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin'i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an'izao tontolo izao.