Alarobia 07 febroary 2029

Alarobia Fahadimy tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 94, 6-7

Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an'Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan'ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 2, 4b-9. 15-17

Boky Jenezy

« Nentin'ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin'ny sahan'i Edena. »

Tamin'ny andro nanaovan'ny Tompo Andriamanitra ny tany sy ny lanitra, teo ambonin'ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha, ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka, satria ny Tompo Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin'ny tany; ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy. Nefa nisy etona niakatra avy amin'ny tany, sy nanondraka ny tany rehetra. Vovotany no nanaovan'ny Tompo Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon'aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona. Ary ny Tompo Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny. Ary nampanirîn'ny Tompo Andriamanitra tamin'ny tany izao hazo rehetra mahatehijery sady fihinana isan-karazany izao sy ny hazon'aina tao afovoan'ny saha, ary ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Dia nalain'ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin'ny saha Edena, mba hiasa sy hiandry azy. Ary ny Tompo Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy: “Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin'ny saha. Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa ho faty mihitsy ianao amin'ny andro hihinananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 103, 1-2a. 27-28. 29bd-30.
Fiv.: Tsarovy ny Tompo, ry fanahiko.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Lehibe aoka izany Ianao, ry Tompo Andriamanitro, izay mitafy fahamendrehana sy fiandrianana, mifono hazavana ho toa akanjo.
Izy rehetra miandry Anao hamahana azy amin'ny fotoana. Ianao manome: izy ireo mandray; sokafanao ny tanana: manarana amin-java-tsoa izy.
Afeninao ny tava: mipenimpenina izy, alanao ny fofon'ainy: mody mandry izy! Alefanao ny fofon'ainao: dia ary izy, ka mihavao ny endriky ny tany.

Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin'ny vavanao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 7, 14-23
« Izay mivoaka avy ao amin'ny olona no mahaloto azy. »

Tamin'izany andro izany, niantso ny vahoaka nankeo aminy indray i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy. Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.” Nony niala teo amin'ny vahoaka Izy ka tonga tany an-trano, dia nanontanian'ny mpianany ny amin'ilay fanoharana, ary hoy Izy taminy: “Hay! ianareo koa mba kely fahalalàna toy izany! Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany dia tsy mahaloto azy, satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany, ka ariana any an-katakonana? Izany no mahadio ny hanina rehetra. Fa izay mivoaka avy amin'ny olona, hoy izy, no mahaloto ny olona; satria avy ao anaty, dia avy amin'ny fon'ny olona no iavian'ny sain-dratsy dia ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; izany zavatra rehetra izany no avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Kômonio Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin'i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an'izao tontolo izao.