Zoma 09 febroary 2029

Zoma Fahadimy tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 94, 6-7

Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an'Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan'ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 3, 1-8

Boky Jenezy

« Ho tahaka an'Andriamanitra ianareo: mahalala ny tsara sy ny ratsy. »

Ny bibilava no fetsy indrindra amin'ny biby rehetra eny an-tsaha izay nataon'ny Tompo Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: “Hay va re Andriamanitra nanao hoe: Aza mihinana amin'ny hazo rehetra amin'ny saha ianareo.” Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava: “Mihinana amin'ny voan'ny hazo amin'ny saha izahay; fa ny voan'ny hazo eo afovoan'ny saha no nanaovan'Andriamanitra taminay hoe: “Aza mihinana amin'izany ary aza mikasika izany akory, fandrao maty ianareo.” Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy: “Tsia, tsy ho faty akory ianareo: fa fantatr'Andriamanitra fa amin'izay andro hihinanareo amin'izany, dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra ianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy.” Ary hitan-dravehivavy fa ny voan'ilay hazo dia fihinana mahate-hijery sy mendrika hoirîna mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin'ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy. Nisokatra ny mason'izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin'aviavy izy ireo nataony sikina. Tamin'izay dia ren'izy ireo ny feon'ny Tompo Andriamanitra nandalo tao amin'ny saha rahefa nangatsiatsiaka ny andro; ka niery ny Tompo Andriamanitra tao anaty hazon'ny saha ralehilahy sy ny vadiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 31, 1-2. 5. 6. 7.
Fiv.: Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota.

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota!
Eny, sambatra ny olona tsy itanan'ny Tompo hadisoana,
sy tsy misy fitaka eo am-bava!

Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 7, 31-37
« Nampalady ny marenina sy nampiteny ny moana Izy. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niala tany amin'ny faritanin'i Tira, ary namaky ny faritanin'i Sidôna ka tonga tany amoron'ny ranomasin'i Galilea, amin'ny faritanin'i Dekapaoly. Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin'izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana. Dia nitondra azy niavaka tamin'ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany. Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe: “Efeta, izany hoe, misokafa.” Niaraka tamin'izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran'ny lelany, ka niteny tsara izy, ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin'iza na amin'iza; fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza; sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: “Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Kômonio Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin'i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an'izao tontolo izao.