Alahady 04 febroary 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
NY SOA ATAO LEVENAM-BOLA
Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an'Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan'ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitra.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Izao no lazain'ny Tompo: Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa; ny hizaranao ny mofonao amin'izay noana, sy ny hampiantranoanao ireo mahantra sy tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao? Amin'izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan'ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana; ny fahamarinana, hialoha lalana anao; ny voninahitry ny Tompo ho vodilalanao. Amin'izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: “Inty Aho!” Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baràka; raha manome ny haninao ho an'ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferin'aina; hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao.
Ny olo-mahitsy fanilo amin'ny haizina, fa marina, mangoraka sy antra. Ny tsara fanahy mahery mampisambotra ny lalany voalamina araka ny rariny.
Tsia, tsy hirona izy mandrakizay, ny anaran'ny olo-marina ho mandrakizay. Ny fandrenesana loza tsy mba atahorany ny fony mitombina matoky ny Tompo.
Ny fony tsy matahotra fa mandry feizay, mahafoy izy, omeny be ny mahantra ny soa ataony maharitra mandrakizay, ny hery sy voninahiny miasa mitombo.
Taratasy voalohan'i Md Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, fony aho tonga taty aminareo, dia tsy mba tamin-teny ambony, na tamim-pahendrena no nitoriako ny Evanjelin'Andriamanitra taminareo. Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy i Jesoa Kristy aho taty aminareo, indrindra fa Izy voafantsika tamin'ny Hazofijaliana. Ary tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be no nanatonako anareo; sady tsy mba tamin'ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny herin'Andriamanitra azy, ho marina; mba tsy hiorenan'ny fonareo amin'ny fahendren'olombelona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 5, 13-16Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Ianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin'ny olona.
Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo antampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa eo ambonin'ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason'ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay an-danitra”.
Ry kristianina havana, manana adidy isika ho fahazavan'izao tontolo izao sy ho fanasin'ny tany, nefa tsy ny fahendren'olombelona no hahavitantsika izany, hoy i Md. Paoly, fa ny herin'Andriamanitra; koa angony ny fontsika amin'izao ranombavaka izao, hangataka amin'Andriamanitra mba ho henika ny hazavan'i Kristy isika, hijoroantsika ho vavolombelony.
Ry Jesoa Tompo ô, iraho ny Fanahinao handrisika anay hampahalala ny olona rehetra fa Ianao no Kristy Zanak'Andriamanitra, masoandro be lohataona: fahazavan'ny ory, tokana mahenina ny maro, ary volana fenomanana: fanala haizin'ny alina, jiron'ny malahelo, fahazavan'ny ambanilanitra. Eny Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ireo, ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.
Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin'i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an'izao tontolo izao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.