Asabotsy 03 febroary 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin'ireo firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin'ny fiderana Anao!
Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, aoka isika hanolotra fanati-piderana ho an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy. Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahan'Andriamanitra. Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo, mba ho an-kafaliana no hanaovany an'izany, fa tsy ho amin'alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany. Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin'ny fahafatesana an'ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran'ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika, no hanomana anareo amin'ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitra-pony, amin'ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Ny Tompo miandry ahy: tsy orin'inona aho; izaho ampiraotiny amin'ny vilo-maitso, entiny amin'ny rano manala sasatra, velombelominy fanahy.
Tarihiny amin'ny lala-marina noho ny Anarany! Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza: satria Ianao miaraka amiko: ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy.
Rosoanao sakafo eo imason'ny rafiko aho: ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona! Eny, hatsaram-po sy hasambarana no manjohy amin'ny fiainana tontolo.
Ny tranon'ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 6, 30-34Tamin'izany andro izany, niverina teo amin'i Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Ary hoy Izy taminy: “Avia ianareo, ndeha mitokana any amin'ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely”: fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin'ny tany mangingina. Fa hitan'ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin'ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, aterinay eto amin'ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.
Asehoy ny mpanomponao ny endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.
Nahazo hery tamin'ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao hampiroborobo mandrakariva ny finoana.